Laingalainga, tsy misy izay hoe fiatoana sy fitoniana politika amin’izao. Tabataba lalandava. Raha mba hahatsara zavatra sy mahasoa moa ka haninona? Indrindra ho raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka… Hatramin’ izao, tsy miova firy ny fomba politika. Vao mainka miharatsy no ho ny teo aloha aza… Nahoana? Tsy izay hahatsara ny […]
Taratra
Tsingerin-taona faha-52 ny antoko MFM : “Aoka hohajaina ny safidin’ny olom-pirenena”
Nomarihina omaly, ny faha-52 taonan’ny antoko Mpitolona ho an’ny fandrosoan’i Madagasikara (MFM). Namoaka fanambarana izy ireo ary nametraka fepetra maromaro. Nambaran’izy ireo, tamin’ izany, fa maika ny hametrahana amin’ny toerana mendrika sy tena sahaza ny fandresena ny fampahantram-piheverana. “Ilaina ny fanajana toy ny anakandriamaso ny safidin’ny olom-pirenena tsirairay ary ny […]
Fakana an-keriny : Takalonaina roa lahy avotra
Tafaverina soa aman-tsara anivon’ny fianakaviany ireo roa lahy nentin’ny mpaka an-keriny tao Andohambato, kaominina Manakana, ny 26 desambra teo. Nalain’ny olon-dratsy nataony takalonaina ny mpiasa tamina kariera tao an-toerana. Mitrandraka volamena ireo lasibatra ireo. Nitondra fitaovam-piadiana ireo tsy valahara ka tsy sahy nanohitra ny andian-dehilahy voatafika. Naharay fampandrenesana ny zandarimaria. […]
Ambositra : Vola sandoka 16 tapitrisa Ar saron’ny zandary
Vola sandoka 16 tapitrisa Ar tra-tehaky ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina Ambositra, afakomaly. Ankizy nanao ankiafina no niditra tao amin’ny trano iray. Nisavasava amin’ny maha zaza azy ireo, nahita harona plastika nisy vola sandoka tao aminy. Nanatona ny tomponandraikitry ny tanàna avy hatrany izy ireo. Nampiantso ny mpitandro […]
Dimy lahy mitam-piadiana: Tokantrano voaroba 7 hetsy Ar
Very vola 7 hetsy sy finday iray ny tokantrano iray ao Andranomadio 11/41, kaominina Toamasina, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma 27 desambra teo. Niandry trano irery niaraka tamin’ny zanany vao 8 volana io renim-pianakaviana io. Ny vadiny izay voatery niala mandry noho ny fahazoany asa vaovao. Notongavan’ny dimy lahy tao […]




