Taratra

Fetin’ny Noely : Olona 4 namoy ny ainy

Nitombo ny antontanisan’ireo olona tonga nanatona ny hopitaly CHUJRA, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Noely, raha oharina ny tamin’ny taon-dasa, raha ny tatitra voaray. 4 ireo olona maty nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Noely 2024, 2 ivelan’ny hopitaly, ny roa kosa teo anivon’io hopitaly io, omaly. Nahatratra 237 ny isan’ireo […]

Nangalatra “vedette rapide” : Dimy voasambotra, roa karohina

Vehivavy iray, lehilahy efatra mpangalatra “vedette rapide” na lakana haingam-pandeha misy motera niara-voasambotry ny mpitandro filaminana tao Anjagnozano, kaominina Bemaneviky Andrefana, distrikan’Ambanja, afakomaly. Matetika itrangana halatra ataon’ny olon-dratsy ireo lakana misy motera fampiasan’ny mponina ao an-toerana. Sambo iray very tao Antanandavo, Nosy Be. Nanao hetsika manokana hanatrarana ireo olon-dratsy mangalatra […]

Hopitaly CHU Toamasina : Norobain’ny jiolahy ny toeram-pandoavam-bola

Jiolahy roa lahy nitondra antsibe, niditra an-keriny tao amin’ny toeram-pandraisam-bola eo anivon’ny Hopitaly Be Toamasina, omaly. 60 tapitrisa Ar voaroba, loharanom-baovao hafa nilaza fa tsy nahazo na inona na inona ny mpandroba. Nidirana jiolahy roa lahy mitondra antsibe ny ivontoerana fandoavam-bola, CHU Analanki­nini­na Hopitaly Be Toamasina, omaly tolakandro. Nivimbina sakaosy […]

Jôkôsô-Festival du Rire: Hiditra amin’ny andiany fahadimy ny hetsika

Hotanterahina ny 26 hatramin’ny 28 septambra 2025, hitohy ny 3 hatramin’ny 5 oktobra 2025 ny “Jôkôsô-Festival du Rire”. Miditra amin’ny andiany fahadimy ny hetsika amin’io taona ho avy io. Hampivondronana iray ny Malagasy mpanao hatsikana eto Madagasikara ity hatao ity. Anisan’ny hita nandray anjara tamin’ny andiany efatra teo aloha ireo […]

TARATRY ny KANTO

Hiaka-tsehatra eny amin’ny Chez Poony Mandrimena ny tarika Jeneraly, anio manomboka amin’ny 8 ora alina. Hahazo ny anjarany indray, araka izany, iny Atsimondrano iny. Efa maro ny seho nataon’ny tarika Jeneraly ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy. Seho nahafantarana ny tarika no hita mandritra ity fampisehoana ity. Haranty eny amin’ny Musée […]