Taratra

Fampitiavana ny jazz : Hanao hetsika isaky ny alatsinainy ny Jazz Club CGM

Iray amin’ny sehatra lehibe hivelaran’ny tontolon’ny jazz ny Cercle Germano-Malagasy na ny CGM etsy Analakely. Nohatevenin-dry zareo avy ao amin’ny Jazz Club izany ka itondrany hetsika lehibe isaky ny alatsinainy. Fivelarana, fampitiavana, famohazana talenta, fanatevenana traikefa, fifanakalozana… Anisan’ny ampahany amin’ilay fandaharanasa vaovao tontosain’ny Jazz Club CGM GZ isaky ny alatsinainy, ao […]

FANTINA sy FINTINA

Voafidy ny zoma teo ny biraon’ny filankevitry ny Tanànan’Antananarivo. Filoha, maharitra, An­driam­parany Guy Ralitera avy amin’ny Irmar. Filoha lefitra kosa ny amin’ny HE Mada, Toavina Ralam­bomahay. Mpampiaka-teny voalohany Navalona Francky Rakotoaritiana (Mouvement Gasikara) ary mpampakan-teny faharoa ny Tim, Nomenjanahary Nasandratra. Nambaran-dRakotoarisoa Alban na i Gang­s­t­a­bab fa nisy namadika ireo mpanolotsaina […]

Depiote Fomendraza Haingo Elisette : «Tsy azo atao sorona intsony ny vahoaka»

“Matanjaka hatrany ny vondrona politika miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana. Tsy azo atao sorona intsony ny vahoaka, fa tokony hiara-miasa tanteraka amin’ny fitondram-panjakana mijoro”. Io fanehoan-kevitry ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, faritany Fianarantsoa, i Fo­mendraza Haingo Elisette, tany amin’ny renivohitr’i Ma­tsiatra Ambony, tamin’ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny valim-pifidianana ofisialy tamin’ny fifidianana […]

Fahasahiranana mba aoka…

  Fidangan’ny vidim-piainana, fahasahiranana noho ny haintany… Manginy fotsiny ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fisian’asa, ny olana amin’ny famatsian-jiro… Izany no manahirana ny vahoaka amin’izao, tanisain’ny mpanao politika sasany fa mila fifanatonana, fifampidinihana, vahaolana. Izay ela izay, tsy nisy resaka firy an’izany na tanisaina lava aza ny fahasahiranam-bahoaka. Noho ny […]

Antoko MMM : «Ilaina ny fahasahiana sy ny fijoroana…»

Nanatanteraka fifampiarahabana noho ny taona vaovao ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, ny faran’ny herinandro teo. Nambaran’izy ireo tamin’izany ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena. «…Tena sahirana ny vahoaka… Ilaina ny fahasahiana mijoro sy manova ho amin’ny tsaratsara kokoa», hoy ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo tamin’ny lahateniny, tetsy Ankerana. Nambarany fa […]