Taratra

VAOVAO TAMBATRA

Tonga any Toamasina, nanomboka ny 23 jolay teo, ny iraky ny Banky iraisam-pirenena (BM). Hanadihady ny zava-misy mahakasika ny famokarana herinaratra any an-toerana ny anton-diany. Anisan’ny hotsidihiny ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha solika an’ny Jirama, ny toby mandeha solika sy amin’ny herin’ny masoandro an’ny Enelec. Hojerena koa ny asa fanarenana ny […]

FNDI S.A : Rafitra ara-bola hampandrosoana ny indostria

Dingana lehibe eo amin’ny politikam-pampandrosoana ny indostria eto Madagasikara ny fananganana ny Fonds national pour le développement industriel (FNDI S.A.). Natsangana araka ny fepetra voarakitry ny Lalàna laharana faha-2017-047 momba ny Fampandrosoana ny indostria izy io. Rafitra natao hanohana ara-teknika sy ara-bola ireo indostria malagasy. Tanjona ny hanamora ny fahazoan’ny […]

Seranam-piaramanidina: Matotra ny fiaraha-miasa amin’i Seychelles

Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo ny delegasionina avy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena atsy Seychelles. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ifanakalozana traikefa hampiroboroboana ny seranam-piaramanidina izany. Natao ny 20 hatramin’ny 22 jolay teo, nijerena ny lanjan’ny asa atao, ny lafiny teknika sy stratejika, fototry ny fitantanana ny seranam-piaramanidina ny fihaonana. Toy, ny […]

Fahatapahan-jiro sy antony hafa: Mampiahiahy ny Jirama ireo tranga tato aho ato

Maro ny tranga niseho tato ho ato manodidina ny famatsian-jiro eto Antananarivo. Mampiahiahy ny fisehony, ka voatery manao fanadihadiana lalina iombonana ny mpitantana ny Jirama sy ny mpitandro filaminana. Nitondra fanazavana, omaly tolakandro, ny tale jeneralin’ny Jirama, ny jeneraly Rasolomanana Andriamalala Richard sy ireo mpitarika sendika ao amin’ny orinasa. Noresahina […]

TSELATRA

Hita omaly maraina ny vatana mangatsiakan’ilay tovolahy 20 taona, maty natelin’ny ranomasina tany Nosy Varika, afakomaly. Tsiahivina fa lakana iray mpitatitra olona avy ao Nosy Varika hihazo an’i Mananjary no nidona teo amin’ny andrin’ny tetezana ka vaky sy rendrika. Mpianatra ao amin’ny Lycée manambina ary vao afaka fanadinana bakalorea tamin’ny […]