Voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny sampandraharaham-paritra misahana ny fikarohana fandikan-dalàna ao Menabe, ny sabotsy teo, ny teratany vahiny iray, 58 taona. Voalaza fa fampirisihana ireo zaza tsy ampy taona hivaro-tena no antony nisamborana azy. Hita tao an-tranony avokoa ireo karazana fandikan-dalàna rehetra mahakasika izany. Ankizy roa maty an-drano tany […]
Taratra
Fanondranana olona antsokosoko : Enina mianadahy nalefa eny Antanimora
Enina mianadahy niray tsikombakomba manondrana Malagasy miasa any amin’ny tany arabo tra-tehaky ny polisy. Nalefa eny Antanimora taorian’ny fampanoavana ireo voasaringotra, ny 21 janoary teo. Nihaodihaody teny Anosy tao amin’ny toerana fanaovana pasipaoro, olona am-polony nampiahiahy ny mpitandro filaminana. Nanaovana fanadihadiana lalina ny momba ny tany handehanan’izy ireo. Nandrisika azy […]
Ambohimahitsy : Tapa-tongotr’ilay voadonan’ny fiara
Tapa-tongotra sady vaky tetamaso ny lehilahy iray nodomin’ny fiara an’olon-tsotra teny Ambohimahitsy, ny sabotsy 26 janoary teo. Avy any Ambatolampy io lehilahy niharam-boina io, araka ny fanazavany tamin’ireo namonjy azy. Nandeha mafy ny fiara ka nahavoa ny tongony. Nianjera tamin’ny arabe, nijanona minitra vitsy nijery io olona voadoana io ilay […]
Ankadimbahoaka : jiolahy raindahiny lavon’ny polisy
Lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ny Service anti-gang (Sag), ny alin’ny sabotsy teo, tetsy Ankadimbahoaka ny jiolahy raindahiny iray. Azo sambo-belona kosa ny iray. Maty voatifitry ny polisy, ny sabotsy alina teo, ny jiolahy iray nikoizina sy raindahiny tamin’ny asa fanendahana teto Antanana-rivo. Lavo nandritra ny fifanjevoana sy fifanenjehana teo amin’ny […]
Fivoahan’ny voka-pifidianana: Ben’ny Tanàna roa tsy hita ny nanjavonany
Maromaro ireo ben’ny Tanàna vao voafidy no ahina ho voasaringotra amin’ny kolikoly. Anisan’izany ny ben’ny Tanànan’Antsiranana, i Jean Luc Djavojozara. Nofidin’ny vahoaka any an-toerana tamin’ny salanisa 65% ny tenany na tsy afaka nanao propagandy aza. Ny ekipany ihany koa no nametraka ny an-tontan-taratasy firotsahany. Efa namoahana didy fampisamborana avy amin’ny […]