Taratra

Faha-40 taonan’ny TPLA: Hitondra fanavaozana amin’ny fitsaboana ny radio niomerika

Nifarana omaly ny fankalazana ny fanamarihana ny jobily faha-40 taonan’ny Tobim-pitsaboana loteranina Ambohibao (TPLA). Notokanana tetsy amin’ny TPLA Am­bohibao ny fotodrafitrasa izay nasiam-panavaozana, natao ho tsangam-baton’ny faha-40 taona, toy ny trano fitarafana sy ny trano fiterahana ary ny fahatongavan’ny radio niomerika. Tsangambato faharoa ny fananganana ny toeram-pivavahana ao amin’ ny […]

INDRAY MIJERY

Nitsidika ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, teny Anosy, ny masoivohon’ny Vondrona eoropeanina eto Madagasikara, Roland Kobia, ny fiandohan’ny herinandro teo. Noresahina nandritra ny fihaonana ny fampahafantarana ireo ezaky ny minisitera sy ireo laharam-pahamehana ao anatin’ny tontolon’ny fanabeazana, ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana amin’ny alalan’ny fampiofanana ireo mpampianatra, ary ny fanatsarana ny […]

Kaominina Ivato: Mitarika ny kandidà Penjy Randrianarisoa

Raha ny vokatra vonjimaika ao amin’ny kaominina Ivato dia mandresy indray ny kandidà Randrianarisoa Penjy, laharana faharoa tamin’ny biletà tokana. Mitarika amin’ny isam-bato 36,28% ny tenany. 782 kosa ny elanelam-batony amin’ny kandidà manaraka izay manana ny salanisa 27,71%. Naharesy lahatra ny olona nifidy an-dRandrianarisoa Penjy ny asa vitany sy ny […]

RIVODOZA Chido: Manalavitra ny morontsirak’ i Madagasikara

Tamin’ny 5 ora sy sasany, omaly hariva, tany amin’ ny 135 km avaratra atsinanan’Antsiranana no nisy ny foiben’ilay rivodoza mahery vaika Chido. Niakatra ho 185 km isan’ora indray ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 260 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Mizotra mianandrefana somary atsimo andrefana izy amin’ny hafainganam-pandeha 23 […]

TARATRY ny KANTO

Tanterahina rahampitso tolakandro, eny amin’ ny CCEsca Antanimena, ny « Joy& Mercy ». Fampi­se­hoana evanjelika iarahana amin’ny antokom-pihira The Singers of Jesus izy ity. Ho hita ao avokoa ireo hira nahafantarana ity antokom-pihira ity. Hisy ihany koa ny zava-baovao nomanin’izy ireo ho an’ny mpankafy azy mandritra io fampisehoana io. Mbola vitsy ihany […]