Taratra

Madagaslam : Mitohy hatrany ny fampivelarana ny Slam

Ny eny amin’ny Cercle Ger­mano Malagasy (CGM) Ana­lakely sy eny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba indray no handray ny Madagaslam section Tanà, amin’ity anio ity. Hetsika maro samihafa mifantoka amin’ny Slam poésie no ho hita mandritra izany. Ani­san’izany ny atrikasa fanora­tana, misy ihany koa ny sehatra ahafahana maneho ny […]

Kabary – Fi.Mpi.Ma : Notokanana ny sampana Djibouti

Omaly 13 desambra 2024, tamin’ny 9 ora maraina. Notan­terahina tao amin’ny « Bibliothèque et Archives Nationales » ao Djibouti, ny lanonana goavana nanatanterahina hetsika telo momba ny kabary. Lanonana fitokanana ny sampana Fikam­banan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma). Famoahana ireo mpiofana andia « Santatra » ary fanokafana ny taom-piofanana 2025 – 2026. Taorian’ny fanatanterahana ny […]

Anisha Jo : « Hitoriako fitiavana ho an’ny Malagasy ny mozikako »

Mandalo an-tanindrazana i Anisha Jo. Fotoana efa niriany ela sy efa nampanantenainy koa ity, taorian’ny nandre­seny tamin’ny “Star Academy” 2022. Mpanakanto tsotra, feno fitiavana. Izay raha tsaraina amin’ny in­dray mitopy maso i Anisha Jo. Raha ny talentany kosa, niara-nahita izao tontolo izao tamin’ ny nandrombahany ny laha­rana voalohany tamin’ilay fifaninanana […]

FANTINA sy FINTINA

Mamaritra ny lalàna fa eo anivon’ny sampana mpanisa vato (SRMV) eny amin’ny distrika no afa-mangataka ny hanaovana fampitahana voka-pifidianana ny kandidà, araka ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly. Azo anaovana izay fangatahana fampitaham-bokatra izay koa ny rafitra eny anivon’ny renivohi-paritany. Ny filohan’ny Antenimierampirenena malagasy no mitarika ny […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Mba ho ao anatin’ny filaminana ny fety”

“Misaotra ny vahoaka malagasy koa ny tenako, satria vita tao anatin’ny filaminana sy fitoniana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Mirary ny hisitrahan’ny vahoaka malagasy ny fetin’ny farany taona ao anatin’izao filaminana izao”. Io ny valin-tenin’ny Prai­minisitra Ntsay Christian, ta­min’ny mpano gazety, teny Tsimbazaza, omaly, taorian’ny famaranana ny […]