Mamaritra ny lalàna fa eo anivon’ny sampana mpanisa vato (SRMV) eny amin’ny distrika no afa-mangataka ny hanaovana fampitahana voka-pifidianana ny kandidà, araka ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly. Azo anaovana izay fangatahana fampitaham-bokatra izay koa ny rafitra eny anivon’ny renivohi-paritany. Ny filohan’ny Antenimierampirenena malagasy no mitarika ny […]
Taratra
Praiminisitra Ntsay Christian : “Mba ho ao anatin’ny filaminana ny fety”
“Misaotra ny vahoaka malagasy koa ny tenako, satria vita tao anatin’ny filaminana sy fitoniana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Mirary ny hisitrahan’ny vahoaka malagasy ny fetin’ny farany taona ao anatin’izao filaminana izao”. Io ny valin-tenin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny mpano gazety, teny Tsimbazaza, omaly, taorian’ny famaranana ny […]
Manara-penitra hoe ?
Nifarana omaly iny ny fivoriana ara-potoana faharoan’ireo parlemantera. Inona no zavatra vita? Firy ny lalàna nolaniana? Fanontaniana izay manitikitika ny saina manoloana ity fomba fiasa eto amin’ny tanàna ity. Ny mpanao lalàna indray sanatrian-dresaka tsy manaraka izany. Manakorontana lamina! Nampiavaka ny fotoam-pivoriana tamin’ity indray mitoraka ity ny tsy fisian’ny […]
Andriamananoro Augustin : “Miantso ny rehetra hiandry amim-pitoniana ny valim-pifidianana”
Nirona tany amin’ny fitoniana politika ny kabarin’ny filoha mpisolo toeran’ny Antenimierampirenena, omaly, nandritra ny famaranana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ity Andrimpanjakana ity. «Eo ny raharaham-pirenena. Koa satria vanin’andro mendrika itsaharana politika izao andalovantsika sy iainantsika izao dia heverinay fa tsy tokony handahatra betsaka momba izay aloha isika amin’ity andro anio ity. […]
TSELATRA
Hotanterahina anio, eny amin’ny sekoly ambonin’ny Polisim-pirenena Ivato (ENSP), ny famindram-pibaikoana eo amin’ny kaomandin’ny sekoly. Hivoaka ihany koa ireo mpianatra ho manamboninahitra sy kaomisera. Hanome voninahitra ny lanonana sady hitarika izany ny filoha faratampon’ny Foloalindahy, Rajoelina Andry, sy ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian. Lasan’ny jiolahy ny vola 10 tapitrisa […]




