Tsy ampy taona avokoa, natao famotorana ka notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, ireo efa-dahy tra-tehaky ny zandarimaria tao amin’ny kaominina Maevatanàna. Manararaotra ny haratsian-dalana, miandry ireo fiara taksiborosy mifamevezivezy amin’ny lalam-pirenena fahefatra sy fahenina izy ireo. Torahan’izy ireo amin’ny alalan’ny vato ny fiara mandalo ka taksiborosy no tena kendreny. Za-dratsy, […]
Taratra
Sambava : Zazalahy natelin’ ny ranomasina
Nilalao teo amoron-dranomasina, mbola tsy hita popoka tao anatin’ny telo andro, taorian’ny nanjavonany ilay zazalahy tao Sambava. Nanamorona ny rano io zazalahy vao valo taona monja io. Tsy nanampo na inona na inona rahateo ny ray aman-dreniny noho ireo zaza efa zatra milalao amoron-dranomasina. Tampoka, nosintomin’ny onja io zaza io. […]
Nisoloky ny mpampiasa azy : Olona roa nandroba 230 tapitrisa Ar
Namoahan’ny fitsarana didy fampisamborana ny olona roa voampanga tamina raharaha fivadiham-pitokisana nandritra ny fitsarana ny raharaha ady heloka bevava tao Toamasina, omaly. Ny antontan-taratasin’ady notsaraina voalohany tao amin’ny fitsarana ity niampangana an-dRavaoarihanta Antoinette ity, araka ny dosie laharana faha 96-Toa/24. Mpiasa tao amina tranombarotra iray mpivarotra ambongadiny momba ny lamba […]
WMG : Nizara « Colis de Noël » ho an’ny ankizy
Nisitraka fanomezana krismasy avy amin’ny Wednesday Morning Group (WMG) ireo mpianatra eo anivon’ny EPP Andranovelona, Ambohitrinindriana ary Fieferana Ambohimiarina Andrefana, ao anatin’ ny kaominina Ilafy, omaly. Nahitana fanomezana zavatra maro anaty fonosana ny tolotra, antsoina hoe “Colis de Noël”. Niampy fizarana mofo mamy avy amin’ny WMG ihany koa izany. «Tanjona […]
Namono ny zanany vao teraka : Voasambotra ilay ramatoa nahavanon-doza
Tra-tehaky ny zandary ilay renim-pianakaviana namono zaza menavava tao amin’ny kaominina Mahabo, afakomaly. Vehivavy 20 taona, nosamborin’ny zandarimaria tao amin’ny fokontany Ankadisarotra, kaominina Mahabo, distrikan’Ambohidratrimo, ny 11 desambra teo. Hitan’ny fokonolona tao amin’io fokontany io ny zaza menavava iray, tamin’io andro io. Nihoson-dra tanteraka ny vavany ary notsatohana hazo ny […]




