Ela nitoratorahana ny andiana mpanao fanafihana Cash point. Maty voatifitry ny polisy ny roa lahy, omaly hariva. Azo sambo-belona ny iray, tafaporitsaka kosa ny namany. Nihorohoro indray ny mponina tao amin’ny fokontanin’Ampasimazava, boulevard Ratsimilaho, nandritra ny fifanenjehana teo amin’ny jiolahy sy ny polisy. Tokony ho tamin’ny 1ora sy 30 mn […]
Taratra
Fifidianana filohan’ny vaomieran’ny UA: Tsara toerana ny kandidà Randriamandrato Richard
“Manana kandidà manana tombony manokana i Madagasikara amin’izao fifidianana izao. Noho ny fivezivezeny matetika eto anivon’ny kaontinanta, ankatoavin’ireo filoham-panjakana ny fanolorana izany kandidà malagasy izany”. Io ny tenin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, tamin’ny fanolorana teny Iavoloha, afakomaly, an-dRandriamandrato Richard ho kandidà filohan’ ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA). Manana traikefany […]
TARATRY ny KANTO
Hiakatra ao amin’ny IFM Analakely ry Solomiral. Natetitetika tato ho ato ny fiakarana an-tsehatra nataon-dry zalahy, taorian’ny nahalasanan’i Fanaiky. Manararaotra ihany koa ny fandalovany an-tanindrazana iarahana amin’ireo rahalahiny i Hajazz, ka hizara indray ireo hiran’ny tarika nandritra izay 30 taona mahery nisiany izay. Seho “Noely anaty mozika sy dihy”. Hotontosaina […]
«Lamako Mifety » : Hitsapa ny mpankafy eto Madagasikara i Goulam
Vahiny fa tsy lavitra. Mpanakanto tia an’i Madagasikara ary be mpankafy ihany koa i Goulam. Tsy voalohany rahateo no mitsidika an’i Madagasikara ity mpanakanto kaomorianina ity. Efa eto, ary nihaona tamin’ny mpanao gazety i Goulam, omaly, tetsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona. “Faly ary tena heni-boninahitra aho tonga aty Madagasikara. Maro […]
Hatsikana : Hiseho eto Madagasikara i Amine Radi
Tanterahina rahampitso, eny amin’ny Centre de conférence internationale (CCI) Ivato, ny fampisehoana hatsikana iarahana amin’i Amine Radi. Seho izay karakarain’ny Ami vison Madagascar, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro. Sambany hanao fampisehoana eto Madagasikara i Amine Radi. Handray anjara amin’izany, hanatontosa ny tapany voalohany i Raitra Belaw’Ick sy i Lalaina Babeine. Tombony […]




