Mankasitraka ny fanjakana nandray andraikitra manoloana ny fandrobana ny harena voajanahary ny vovonana AVG. Nohitsiany koa fa tsy vitsy ny olom-panjakana mitsikomba amin’ny olon-dratsy. Mirongatra ny fandrobana ny harena voajanahary. Naneho hevitra, omaly, ny Vovonana Alliance Voahary Gasy (AVG), notarihin’ ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA), Razakamanarina Ndranto. Notronin’ny mpikambana. Voalaza fa […]
Taratra
TSELATRA
Fatin-jazavavy vao nalevin’ny fianakaviany nalain’ny olon-dratsy tao am-pasana ny voamasony, omaly. Nalevin’ny havany afakomaly io zaza io. Nofongarin’ireo tsy mataho-tody tao anaty vata ilay zazavavy. Lehilahy nisoloky ho mahatafiditra ho zandary voasambotry ny polisy tao Ambositra ka nidoboka am-ponja, afakomaly. Nahazo lelavola hatramin’ny 36 tapitrisa Ar tamin’ireo olona efa nosolokiany […]
Androndra-Ampamantanana: Jiolahy maty voatifitra, roa azo sambo-belona
Ravan’ny polisim-pirenena ny tambajotran-jiolahy anisan’ireo nikasa handroba tranom-barotra eny Androndra-Ampamantanana, ny alin’ny talata 21 janoary teo. Nihaodihaody teny amin’ny manodidina ireo olon-dratsy ka tsikaritry ny fokonolona. Voasambotr’izy ireo ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka io lehilahy tratra io. Nitoroka ny namany izay mody nifangaro tamin’ny fokonolona tao an-toerana anefa […]
Maevatanàna : Roa lahy lasan’ny mpaka an-keriny
Lehilahy roa lasan’ny mpaka an-keriny tao amin’ny fokontany Ankazomandry, kaominina Mahatsinjo, distrika Maevatanàna, ny alin’ny alatsinainy 20 janoary teo, tamin’ny 8 ora. Efa-dahy niampy vehivavy sy ankizy tsy ampy taona niara-tonga tao amin’io tanàna io. Nangataka izy ireo hanaovana sakafo. Nandroso ho alina, nentin’izy ireo natao takalonaina ny lehilahy 40 […]
Anosizato Atsinanana I : Lehilahy avy nigadra hita faty
Avy namita sazy tany am-ponja, nikasa hody hamonjy ny fianakaviany ity lehilahy hita faty tetsy Anosizato Atsinanana ity. Lehilahy iray manodidina ny 40 taona eo ho eo, hita faty tetsy Anosizato Antsinanana I, omaly tolakandro tamin’ny 3 ora. Olona avy nigadra ary nikasa handeha hody hamonjy ny fianakaviany no tena […]