Tsy misy Malagasy tia korontana intsony, araka ny fanehoan-kevitry ny mpanorina ny antoko ny Fireneko, Rabary Paul. Nohitsiny fa tsy tokony handeha eny amin’ny kianja 13 mey raha tsy mahazaka lakrimozenina. “Vitsy anisa ny olona miaraka aminareo kandidà 10… Tsy maintsy ho lany amin’ny fihodinana voalohany ny filoha Rajoelina”, hoy […]
Taratra
Fehinkevitry ny vovonana mpanelanelana : “Tokony haato ny zotram-pifidianana sy ny hetsika an-dalambe”
Namoaka ny fehinkevitra taorian’ny fihaonana samihafa nataony ho an’ny eto an-toerana sy ny avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny vovonan’ ny filohan’ny Antenimierampirenena (Pan), sy ny FFKM. “Tokony haato ny zotram-pifidianana ary hamerina hamaritra ny fampiharana ny zotram-pifidianana hifanaraka amin’ny lamina iraisam-pirenena araka ny toromariky ny Sadc sy ny Vondrona eoropeanina”, […]
Diso kajy
Somary nangingina ny tanàna omaly. Nilamindamina ny teto an-drenivohitra amin’ny ankapobeny. Samy miandry izay hiafaran’ny toe-draharaha politika, enina andro mialohan’ny fotoam-pifidianana. Ny mpanao fampielezan-kevitra mandeha, ny mpamory vahoaka tsy miala an-daharana. Manoloana izany ny vahoaka madinika no mizaka ny tsy eran’ny aina. Aiza rey olona no misy kilaom-bary efa […]
Kandidà Andry Rajoelina: “Hampiakarina ny fari-piainan’ny tantsaha”
Nitohy tany Alaotra Mangoro ny fampielezan-kevitry ny kandidà Andry Rajoelina, omaly. Anisan’ny nihaona taminy ny vahoakan’i Tanambe sy Amparafaravola ary Ambatondrazaka. Nitodika amin’ireo tantsaha any an-toerana ny tenany. “Maro ireo mpitondra nifandimby fa ny nanao velirano ihany no nahavita… Vitantsika izao ny lalana RN44. Voalohany isika amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa”, hoy […]
Hazalambo : dahalo telo lahy maty, iray azo sambo-belona
Nahery vaika ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo mpangalatra omby tao amin’ny distrikan’i Soavinandriana, afakomaly. Lavo ny dahalo mpikotrika halatra omby. Nitsoaka mpitandro filaminana nisambotra azy, atidoha mpikotrika halatra omby roa lahy maty voatifitra tao amin’ny kaominina Tamponala, afakomaly. Nosamborin’ny zandary izy roa lahy ireo. Nentina atao […]




