Hanao ahoana ihany izao toe-draharaham-pirenena izao? Tsy inona fa ny amin’ny fangalarana sy famonoana olona etsy sy eroa… Mitebiteby andro aman’alina ny vahoaka. Misy mampiaka-peo amin’ny fitakiana asa haingana sy mivaingana amin’ny fitandroana filaminana, fikarohana ny marina, fanenjehana sy famaizana ny olon-dratsy… Mbola azo itokisana sy azo antoka amin’ny […]
Taratra
Zotram-pifidianana : Hiara-miady amin’ny kolikoly ny Bianco sy ny Ceni
Maro ny fandikan-dalàna mandritra ny zotram-pifidianana. Manomboka amin’ny fandrafetana ny lisitry ny mpifidy izany, hatramin’ny famoahana valim-pifidianana vonjimaika. Ao anatin’izany ny kolikoly amin’ny fampielezan-kevitra, indrindra ny fizarana vola sy fanomezana. Tsy mbola nisy ny nigadra noho ny kolikoly amin’ny fifidianana. Manoloana izany, nanao fifanaraham-piaraha-miasa iadiana amin’ny kolikoly ny Bianco sy […]
TSELATRA
Vehivavy 22 taona sy zazavavikely 2 taona hitan’ny tomponandraikitra nirenireny teo anoloan’ny Kaomisarian’Ambohimanarina, ny zoma 24 jolay 2026, tamin’ny 12 ota atoandro. Nahafahana nifandray tamin’ny fianakaviany ny laharana finday iray nomen’ilay vehivavy. Fantatra tamin’izany fa efa notadiavin’ny havany tany Manjakandriana izy mianaka ireo. Natolotra ny Cellule d’enquête mixte Tsaralalàna ny […]
Fiarabe sy moto nifandona : Mpivady niara-maty notetezin’ny kodiarana
Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tany amin’ny lalam-pirenena faharoa, afakomaly tamin’ny 02 ora sy 40 minitra tolakandro. Nifandona mafy teo amin’ny sampanan-dalana mivily mankany Ambatovy sy lalana migodana Tanandava ny moto sy ny fiarabe. Noho ny hamafin’ny fifandonana, nipitika avy teny ambony moto ireo mpivady ka nitrosona mafy tamin’ny arabe, avy […]
Alasora : Dahalo miisa 8 nanafika tranombarotra iray
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana teny Ambohidrazaka, Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano, omaly alina. Jiolahy manodidina ny 5 hatramin’ny 8 teo ireo tonga nanafika tranombarotra mpamongady iray teny an-toerana. Mirongo fitaovam-piadiana toy ny basimborona sy antsy ireo olon-dratsy, raha ny fanazavana voaray. Nanapoaka basy indroa ireo jiolahy ireo nandritra izany. Tao anaty haizina tanteraka […]





