Karazan-tany efatra no hotrandrahin’ny Base Toliara. Efa misy fahazoan-dalana, ny fasimainty, ny zircon, ny rutile, fa mbola hakana fahazoan-dalana vaovao ny monazite. Araka ny efa fantatra, hanohy ny fihariany ny orinasa Base Toliara, rehefa nihantona nandritra ny 5 taona. Miisa telo ny karazana akoram-pasika (sables minéralisés) voafaritra ao anatin’ny fanadihadiana […]
Taratra
Mickael : Maniry hanangana tsangambato ho an’i Delacre
Niherina tamin’ny alahady teo ny nahalasanan-dRandriamirana Jean de La Croix, na i Delacre. Fantatry ny maro amin’ny maha mpamoron-kira fototra sy lehiben’ny tarika Black Jack’s izy. Izy no lasa fa ny kantony mitoetra. Lasa namela mamy ihany koa i Delacre, satria notohizan’ireo zanany ny zavakanto. Anisan’ ireo nanara-dia azy sy […]
TARATRY ny KANTO
Saripika an-dalambe. Anisan’ireo vehivavy 54 mpaka sary avy amina firenena maro, voafidy hiatrika ny famaranana ka hampiranty ny sanganasany any Brésil, i Aina Zo Raberanto. Mandritra ny “Festival Foto Brasil” ny voalohany, ny 25 hatramin’ny 27 avrily 2025 ary ny 4 hatramin’ny 7 septambra kosa ny faharoa, anatin’ny hetsika Paranapiacaba. […]
Davalt Rwikordz : lasa ambasadaoron’ny Yas ireo mpanakanto vokariny
Vao tamin’ny zoma no nisantatra azy i Ceasar. Avy hatrany dia ireo mpanakanto vokarin’ny Davatz Rwikordz kosa no indray nanatevina ny fianakaviamben’ny Yas, nanomboka omaly. Dingana iray indray ho an’ny Davalt Rwikordz. Nampahafantarina omaly fa miara-miasa amin’ny Yas Madagasikara manomboka eto ity trano mpamokatra mpanakanto anisan’ny malaza indrindra ity. Tsy […]
Fanolanana tany Toamasina : namoahana didy famosirana voalohany ny lehilahy iray, 28 taona
Sambany teo amin’ ny tantaran’ny fitsarana ambony any Toamasina, misahana ny ady heloka bevava, ny famoahana didy famosirana ho an’ny olona tratra nanolana ankizivavy. Raim-pianakaviana iray, 28 taona, no niharan’izany taorian’ny fiakarany fitsarana. Niakatra fitsarana tany Toamasina, ny raim-piankaviana iray, 28 taona, ny zoma 6 desambra teo. Antontan-taratasin’ady roa samihafa ny […]




