Natsingevan’ny ranomasina, hita faty omaly atoandro, i Gario kely. Natelin’ny ranomasina tao Toamasina io zaza io, ny alahady 08 desambra teo. Nilalao tahaka ny ankizy rehetra izy. Nisy onja nahery tampoka ka voasinton’ny rano ity zazalahy ity sy ny iray hafa. Nikoropaka niantso vonjy ny nanatri-maso. Nokarohina izy roa lahy […]
Taratra
Belo sur Tsiribihina : novakin’ny jiolahy ny fasan’ny Ampanjaka
Nitrangana vaky fasana tao amin’ny fasam-pianakavian’ ny Ampanjaka Kamamy, ao amin’ny fokontany Mahavelonarivo, kaominina ambanivohitr’i Bemarivo Ankorondro, distrikan’i Belo sur Tsiribihina, ny sabotsy teo. Nandritra ny fandevenana raim-pianakaviana iray tao amin’io fasam-bahiny io no nisy olona nahatsikaritra fa vaky ny fasan’ny Ampanjaka. Nidina teny an-toerana ny solontenan’ny fianakaviana, niaraka tamin’ny […]
Nanolana ny zanak’anabaviny : notanana am-ponja ilay nahavanon-doza
Voasaringotra tamin’ny raharaha fanolanana misesy, niakatra fampanoavana ny raharaha ka notanana vonjimaika any am-ponja ilay lehilahy. Niakatra fampanoavana omaly, nohazonina am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy, ny lehilahy voatondro ho nanolana ny zanak’ anabaviny, tao amin’ny kaominina Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana. Zazavavy 11 taona naolan’ny anadahin-dreniny imbalo nisesy. Nanamparan’io lehilahy io ny […]
Safidy : “Tsy ampy ny fanazavana ny fandaharanasan’ny kandidà “
“Anisan’ny voambolana ampiasaina ny fitandroana ny fihavanana malagasy. Nefa misy teboka maromaro hoe voararan’ny lalàna ary torina, ohatra, ny fidirana amin’ny fiainan’olona manokana amin’ny fampielezan-kevitra. Izay no mahatonga ny Safidy nilaza hoe: lasa tsy ampy ny fanazavana ny fandaharanasan’ny kandidà”. Io ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny Safidy, Razanamahefa Désirée Marie Stella, […]
Fizahantany RN7: «Influenceurs» miisa 10 hampahalala ny any Atsimo
Nampahafantarin’ny tale mpanatanteraka (D.E) ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM), Barivelo Danny, ny sabotsy teo, ny tetikasa «Madagascar Incharted : Behind the Baobabs». Miara-miombon’antoka amin’ny tetikasa ny orinasa Where is This, matihanina amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany maneran-tany. Vahiny miisa 10 avy any amin’ny firenena samihafa (Eoropa, Afrika, Azia, Aostralia) […]




