Taratra

FIARABE nentin’ny ranotrambo: fito namoy ny ainy, maro ireo tsy hita popoka

Zaza telo sy olon-dehibe efatra, namoy ny ainy vokatry fivadihan’ny fiarabe rehefa niampita tetezana tao Betroka, omaly tamin’ny 5 ora hariva. Nitondra mpandeha 130 raha ny voasoratra tao anaty manifold-n’ny fiara, lasan’ny ranotrambo io fiara fitateram-bahoaka io. “45 ireo avotra soa aman-tsara hatreto ary fito no voamarina fa namoy ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny vaovao voaray omaly, miisa 50 ireo Malagasy mpilalao miatrika ny sivana faharoa amin’ny fandrafetana ny Barea de Madagascar, izay hanao ny fifanintsanana Chan 2024. Nambaran’ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tamin’io fotoana io, fa ireo mpilalao mifaninana eto an-toerana ihany no mahazo sehatra amin’ity Chan ity […]

Basikety – Fiba 3×3 : nanampy ny Ankoay ny fanjakana

Hiatrika ny fifaninanana afrikanina amin’ny taranja basikety lalaovin’olona telo, i Madagasikara, anio. Tonga nanome tsodrano azy ireo ny lehibena andrimpanjakana eto Madagasikara, omaly, tetsy Mahamasina. Mba ho fanampiana ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay, lahy sy vavy, mandritra ity fifanintsanana afrikanina, “Fiba 3×3”, izay hatao eto Madagasikara, manomboka anio hatramin’ny alahady, ity. […]

Filaharan’ny Fifa : lasa laharana faha-115 ny Barea

Tsy mitsahatra ny mijotso ny laharan’i Madagasikara, amin’ny taranja baolina kitra. Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Fifa, nivarina ho faha-115 ny Barea de Mada­gascar raha toa ka faha-109 ny filaharana farany, izay nivoaka ny oktobra lasa teo. Nampidina ity filaharana ity ny faharesena roa azon’ny Ba­rea, tamin’i […]

Renoky ny torimaso : Zaza varira nobatain’ireo jiolahy

Votsotra teny am-pelatanan’ireo malaso noho ny ezaka nataon’ny zandarimariam-pirenena nandritra ny fanarahan-dia ny zazavavy varira iray, ny alarobia teo. Tao Mahazoarivo, kaominina Elonty, distrikan’Amboasary Atsimo, no nahazon’ny zandary ity zaza ity rehefa nalain’ny dahalo antsokosoko tao Betroka. Nisy naka an-keriny tao Betroka, ny alin’ny zoma 8 novambra lasa teo, io […]