Taratra

Nihotsahan’ny tany : dimy lahy maty teo am-pitrandrahana volamena

Mpitrandraka volamena dimy maty nifampisokirana tao ambanin’ny ranontany ny alarobia 27 novambra teo. Mbola misy roa naratra, tao Maevatanàna. Nianjeran’ny ranontany teo am-pitrandrahana volamena, dimy lahy niara-namoy ny ainy tao Am­bo­loando, fokontany Man­draty, kaominina Antsiafabo­sitra, distrikan’i Maevatanàna, ny alarobia teo. Samy mpiady volamena ao amin’io toeram-pitrandrahana io, tsy nisy nanampo […]

Fiahiana ny zaza kambotin’ny miaramila: miantso tolo-tanana amin’ny minisitra ny Tafika Malagasy

Tafapetraka ny alatsinainy teo ny vato fototry ny tambohon’ny akany fitaizana ireo zaza kambotin’ny Tafika Malagasy eny An­tsahasoa Pagode, hanabeazana ireo zanaky ny miaramila lavo am-perinasa. Nametraka ny vato fototra ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, niaraka tamin’ny lehiben’ireo Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa […]

SOMBIM-BAOVAO

Isa 4,5/11 no azon’i Tsinjoviniavo Aina Maha­sambatra, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Cadets, taranja Échecs. Fifaninanana izay natao tany Italie. Nisaotra izay rehetra nanampy azy i Aina, indrindra ny Tale Jeneraly Rakotozafy Rosa, izay reny mpiahy azy. Nisy ny fiofanana mahakasika ny Beach Volley notarihan’ny CAVB (Confédération Africaine […]

Basikety-Africa Cup 3×3: delegasiona tonga voalohany i Mauritanie

Andro roa mialoha ny fiadiana ny amboaran’i Afrika 3×3 hotanterahina eto Mada­gasikara, efa manomboka tonga ireo delegasiona avy amin’ny firenena afrikanina hiatrika ny fifaninanana. Delegasiona tonga voalohany i Mauritanie, izay nigadona teto Madagasikara, ny talata 26 novambra teo. Mpilalao 4 sy Staff 1 no mandrafira ny delegasiona avy any Mau­ritanie. […]

Baolina kitra – PFL 2025: hanomboka amin’ny sabotsy ny fifaninanana

Izay vao tena raikitra. Hanomboka amin’ny sabotsy 30 novambra sy ny alahady 1 desambra ho avy izao, ny andro voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja baolina kitra Pureplay Football League (PFL 2025). Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasy (FMF), tao amin’ny tambanjotra seraserany, omaly, fantatra avokoa ireo ekipa miray kaonferansy, izay nozaraina […]