Taratra

TSELATRA

Zazalahy 13 taona hamonjy toeram-pianarana tapa-tongotra niharan’ny lozam-pifamoivoizana tampoka, tao Toamasina, omaly. Mpianatry ny CEG ity tra-doza ity. Nisy olona nijanona tampoka ka antony niteraka ny loza. Io ankizy io izay nandeha “pousse-pousse”. Vatan-dehilahy 200 nanampy ny tomponandraikitra nanala ilay taksiborosy tra-doza tao Betroka, omaly. Hisorohana ny tranga tahak’ilay niseho […]

Naiditra am-ponja eny Antanimora : Telo lahy nahatrarana Skunk sy Métamphétamine

Niakatra fampanoavana, omaly, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, ireo telo lahy voarohirohy tamin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina mahery vaika. Raha ny vaovao voaray avy amin’ny polisy, lehilahy roa voasambotra tany Antsaha­meva, izay nahitana rongony “Skunk” 30 fonosana, ary iray hafa kosa tratra tao Ankadim­bahoaka, izay nahitana 5 grama amin’ny “Méthamphé­tamine”. Raha […]

Nifampitifitra tamin’ny zandary : 15 lahy maty, sefo fokontany ny iray

Maty nandritra ny fifampitifirana tamin’ny zandary ny lehilahy 15, tany Maintirano. Voalaza fa mpanara-dia jiolahy nivadika ho mpandroba sy mpanakan-dalana izy ireo. Maty lavon’ny balan’ny zandary tao Antani­mena -Antanandava, distrikan’i Maintirano, ny talata 4  desambra teo, ny lehilahy miisa 15. Lehiben’ny fokon­tany ny iray. Nifampitifitra ta­min’ny mpitandro filaminana nandritra ny […]

Muay Thaï- Taona 2025 : 30 mianadahy hitiliana ho ekipa nasionaly

Ho fiatrehana indray ny taom-pikatrohana 2025, ho an’ny taranja Muay Thaï, na­moaka lisitra izay hitiliana ny handrafitra ny ekipa nasionaly ny Tale Teknika nasionaly, Razanajatovo Gildas, tamin’ity herinandro ity. Nambaran’ ity Tale Teknika Nasionaly ity fa ireo no vonona hiatrika ny taona 2025, indrindra ny eo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Tamin’ny […]