Atsahatra vonjimaika ny fihodinan’ny ampahany amin’ny Accelator ao Mandroseza, anio, noho ny fikojakojana atao ao an-toerana. Hanomboka amin’ny 7 ora maraina ny asa, izay haharitra ora valo. Hikorontana ihany koa ny famatsian-drano amina faritra maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Toy ny eny Ambohijatovo, Faravohitra, Ambatonakanga, Antaninarenina, Ambatovinaky, Ambohidahy, Amparibe, […]
Taratra
Famatsiana solika : Mikasa hanafatra any Oman i Madagasikara
Mikasa hanafatra solika mivantana any Oman i Madagasikara. Nivoitra izany nandritra ny fihaonan’ny filoha, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny delegasionina avy any Oman notarihin’ny Abdulsalam Bin Al Murshidi, filohan’ny fahefana misahana ny fampiasam-bola ao Oman, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloho, ny talata teo. Voaresaka manokana ny famatsiana solika izay azo […]
Foaran’ny Fromazy: Misongadina ny Vita malagasy
Nanomboka omaly, ary hifarana amin’ny sabotsy 25 jolay, ny Foara ho an’ny Fromazy aty afovoan-tany (FFHT), andiany fahatelo. Mikarakara azy ny M’Anja Event, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fiompiana, iarahana amin’ny Fohrm sy ny Malagasy Dairy Board (MDB). Manodidina ny 30 ny tranoheva, ahitana ireo mpisehatra amin’ny ronono sy ny mpanamboatra […]
Fandaharanasa Fandroso : Vola 200 miliara Ar hanohanana ny tanora manana tetikasa
Nampahafantarina omaly, tetsy amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra, ny fandaharanasa Fandroso, hanohanana ny tanora manana tetikasa. Misy karazany roa izany, ny sokajy Tsiry, ho an’ny tanora vao manomboka handraharaha sy ny Tafita ho an’ireo hanitatra ny fihariany. Ho lasa mpamorona asa mihitsy ny tanora, fa tsy tokony hiandry asa fotsiny. Maro ny tanora […]
FANTINA sy FINTINA
hatao Andro fisaonam-pirenena ny rahampitso manerana an’i Madagasikara, didim-panjakana navoakan’ny fiadidian’ny fanavaozana ny repoblika, halina. Natokana ho andro tsy fiasana fa handraisan-karama izany. Voarara ny fety aman-danonana ary haidina amin’ny an-tsasaky ny tsoran-kazo ny sainam-pirenena. Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry, afakomaly hariva, i Alphe Léon. Notsaboina tamin’ny hopitaly iray teto […]





