Manoloana ny fihanaky ny areti-mifindra maneran-tany manao fanazaran-tena ny eny amin’ny seranam-piaramanidina, Ivato. Nisantarana izany ny fitantanana tranga ahina ho aretina Ebola. Nandray anjara tamin’ izany ireo mpiantsehatra rehetra eny anivon’ ny varavarana fidirana iraisam-pirenena, izay maharitra hateloana. Nandritra ny andro voalohany, nisy ny fanomanana niarahan’ireo mpiantsehatra sy ireo sampandraharaha […]
Taratra
TARATRY ny KANTO
Samy manana ny maha izy azy. Samy manana ny mampiavaka azy… Mety hitovy ihany, angamba, ireo raha takarina amina hevitra miitatra. Saingy, maro no tsy manaja ny hafa rehefa te hampisongadina ny momba azy. Hitsahina ankitsirano tsotra izao ny soatoavin’ny hafa. Tahaka izany koa ny fomba amam-panao izay tsy azy. […]
Fi.Mpi.Ma – Nivoaka ny « Vadi-bainga »: Kandida tokana Ranoromampionona Voary
Notanterahina omaly, tao amin’ny Tranombokim-pirenena efitrano Dox, ilay hetsika « Tafasirim-pifaliana ». Fotoana namaranan’ Andriamboavonjy Hanitriniaina Ravaomalala ny 20 taona nitantanany ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma). Nampahafantarana ny fivoahan’ny boky « Vadi-bainga » nosoratan-dRanjatohery Harilala, mirakitra ny 20 taona nitantanan’ Andriamboavonjy Hanitriniaina Ravaomalala ny Fi.Mpi. Ma, ihany koa . Misongadina ao anatiny ireo […]
Shyn: Lasa ambasadaoron’ ny Beaufort
Misesy ny vaovao tsara. Taorian’i Denise izay ambasadaoron’ny World Cola, nampahafantarina omaly koa fa lasa ambasadaoron’ny ny Beaufort i Shyn. « Mitovy ny vina sy ny tanjona ka mahafaly anay ny mandray an’i Shyn ho mpiara -miasa. Ilay toetra tia manampy, ilay maha mpandraharaha, indrindra anatin’ny zavakanto no nosafidiananay azy », hoy […]
« Revirevy Mody Masoandro »: « Mampirevy tononkira izahay », hoy i Dama
Efa mipetraka ho fihaonambe. Hanasongadinana ireo vazo misy tonony miteny ny « Revirevy mody Masoandro ». Tsy novaina ny tarika handray anjara. Mahaleo, Lolo sy ny tariny ary Samoëla. Tsy mila fanazavana maro fa avy hatrany dia misy sary ao an-tsaina vao maheno an’ireo tarika ireo. Izy ireo ihany no hanafana ny […]





