Raha misy firenena sy mpitondra hafakely dia ity Madagasikara malalantsika ity. Tsy mbola nisy angamba mpiasam-panjakana nahazo tambiny mitentina 97 tapitrisa Ariary isan’olona ho mari-pankasitrahana izany. Fa nisy tokoa izany amin’izao maha filohan’ny Repoblika an-dRajoelina Andry, an’i Madagasikara, izao. Efa-dahy monja no nisantatra izany isanisany. Manginy fotsiny ny 25 […]
Taratra
PDS Antananarivo, Alexandre Georget : “Nahavita isika na fohy aza ny fotoana”
Nanao tatitra ny asa vitany tamin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo ny PDS, Alexandre Georget. Nahatsiaro ho afapo ny tenany na teo aza ny fahafohizan’ny fotoana. «Azo atao tsara ny mampandroso ny tanànan’Antananarivo. Nisy ny ezaka vita ary betsaka koa anefa ny tsy tanteraka. Fohy rahateo ny fotoana roa volana nitantanana», hoy […]
TSELATRA
Efa-dahy tompon’antoka tamin’ny famonoana ilay mpiasa amina tetikasa miady amin’ny hanohanana tao Ikongo, voasambotry ny zandary, afakomaly. Mitohy ny fikarohana ireo namany izay niara-nanao io vono olona io. Marihina, nendrikendrehina ho dahalo io olona matin’ny fitsaram-bahoaka io sy ny mpampianatra iray namany. Tovolahy iray hita faty teo amoron’ny reniranon’i Manambondro, […]
Fakana an-keriny : Ankizy varira 12 taona avotra, dahalo efatra maty
Roa volana nifampitadiavana, ankizivavy varira 12 taona avotry ny zandarimaria tao amin’ny kaominina Behara, distrikan’Amboasary Atsimo, afakomaly. Nalain’ny mpaka an-keriny tao amin’ny fokontany Mokabe, distrikan’i Toalagnaro, io ankizy io tamin’ny 13 oktobra 2024. Nanao fikarohana ny fianakaviany sy ny mpitandro filaminana ka nisy tamin’ireo olon-dratsy tra-tehaka tamin’io andro io. Nentina […]
RN2: Namoy ny ainy ny mpamilin’ilay 4×4
Namoizan’aina olona indray teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, teo ao amin’ny PK 79 +200, tao Ampoarana, fokontany Ambodimanga, kaominina Sabotsy Anjiro, distrikan’i Moramanga, ny alahady 19 janoary tolakandro teo. Niainga avy any Moramanga, nikasa hihazo an’Antananarivo Renivohitra, ny fiara tsy mataho-dalana iray marika Galloper. Nandalo fiolanana, nandeha mafy ny fiara ka […]