Taratra

Orinasa Enelec : Nandray ny ahiahin’ny Filohan’ny Fanavaozana

Nitondra fanazavana ny orinasa Enelec, manoloana ny tsy fahatomombanan’ny fama­tsian-jiro any amin’ireo tobim-pamokarana tantaniny. Toe-javamisy nahatonga ny filohan’ny Fanavaozana ny Repobli­ka, ny kolonely Randrianirina Mickaël, nanakihana ny orinasa, afakomaly. Niaiky ny Ene­lec fa nisy ny olana ara-teknika goavana sy tsy azo nanoharana, nosedraina. Nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ny orinasa raha […]

Fanatsarana ny lohamenaka: Voafaritra ny paikady maharitra

Nivoaka ny paikady maharitra mahakasika ny fanatsarana ny lohamenaka. Voarakitra anatin’izany ny fanamafisana ny fikarohana teknolojia mba hampihenana ny fampiasana kitay hanodinana menaka. Torak’izany ny fanatsarana ny rafitry ny fanondranana sy ny fampifanarahana amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Mivoitra amin’ny paikady ihany koa ny fanamorana ny fahazoana tany sy ny fampiroboroboana ny […]

Fandaharanasa Accéléreo : 50 tapitrisa dolara hanohanana ny PME

Famatsiam-bola hatramin’ny 50 tapitrisa dolara no omen’ny fandaharanasa Accéléreo ny orinasa madinika sy salantsalany. Tanjona ny hahafahan’izy ireny mivelatra sy mamorona asa maharitra. Fanamby lehibe atrehin’ny Malagasy mpandraharaha ny fisitrahana famatsiam-bola, ny tsena ary ny fampifanarahana ny tetikasa amin’ny teknolojia. Antony nahatonga ny governemanta sy ny tetikasa Pôles intégrés de […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy mbola anatin’ireo lahadinika ny hanenjehana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, araka ny nambaran’ny filohan’ny Antenimiera, Randriana­soloniaiko Siteny, omaly, teny Tsimbazaza. Nanteriny kosa fa tsy ampy raha 12 andro no hivorian’izy ireo. Tsiahivina fa aorian’ny fivorian’ny parlemantan’ny Sadc vao hatao ny fivoriana tsy ara-potoana. Tsy tokony hatao an-kamehana ny […]

Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana: « Tsy ananana antra ny mpamono olona»

Hentitra ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana ma­no­loana ny hala-jaza sy vono olona mahazo laka amin’izao fotoana izao. Nambarany fa ho henjana ny fepetra horaisin’ny fitondram-panjakana ho an’izay tratra. «Mbola misy ilay tranga amin’izao fotoana izao ka ezahina ny hanajanonana izany haingana sy anatin’ny fotoana fohy. Tsy ananana antra ireo tratra fa […]