“Efa mandray an-tanana an’io ny fitondram-panjakana”, hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Hanitra Velonjara Tiaray, teny Anosy, omaly, manoloana ny fisian’ny fangalarana sy famonoana olona etsy sy eroa, amin’izao fotoana. Efa voahetsika avokoa ny tomponandraikitra rehetra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga. Na mpitandro filaminana izany na mpitsara, na ny tomponandraikitra […]
Taratra
Samy mitady ny anjarany
Nanaitra ny nahita ireo mpisintona lakolosy teny amin’ny tambajotran-tserasera, omaly. Nifoha tamin’ny torimasony ireo « influenceurs » fanta-daza tamin’ny hetsika Gen Z. efa niandry ny fahoriam-bahoaka fara-tampony vao mahatsapa fa manana adidy. Ny sasany nahazo seza dia nikombom-bava. Ny hafa nisitraka tohana manokana, nanakipy maso ankitsirano. Namono eritreritra no azo ilazana […]
Fanadihadiana parlemantera : “Tsy mijabaka amin’ny asan’ny mpanatanteraka”, hoy Pety R.
Mazava ny fanambaran’ny depiote Rakotoniaina Pety, omaly. Tsy misy fijabahan’ andraikitra any amin’ny mpanatanteraka ny asan’ny vaomiera mpanadihady ny Jirama, izay tarihiny. Mahabe resaka ny sasany amin’izao ny fanadihadiana parlemantera ataon’ny Antenimierampirenena momba ny Jirama. Manoloana izany, maneho ny heviny sy ny fanazavany ny filohan’ny vaomiera mpanadihady, ny depiote Rakotoniana […]
Andrefan’i Mananjara ; Mpangalatra voasambotry ny fokonolona
Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny asa fanendahana sy famakiana trano, voasambotry ny fokonolona sy ny Vaomieran’ny fandriampahalemana teny Paraky, Andrefan’i Mananjara, ny alatsinainy hariva, tamin’ny 5 ora teo ho eo. Niakatra avy eny ambaravakelin’ny tokantrano iray izy ary nalainy tao ny fahitalavitra iray. Nahatsikaritra izany ny fokonolona eny amin’ny manodidina […]
Ambositra ; Hita faty i Larissa
Nisy namono i Larissa ilay zaza very tao Ambositra, ny volana avrily lasa teo. Rehefa nanao ombay mitady tamin’ny tambajotran-tserasera ny ray aman-dreniny, dia hita omaly ny razana. Nataon’ireo tsy mataho-tody tao anaty gony, avy eo natsipy tany anaty lavapiringa. Olona efatra no voasambotra sy naiditra am-ponja tamin’ity raharaha ity. […]





