Napetraka ny birao tokana, hisahana ny fanondranana any ivelany ny volamena sy ny harena an-kibon’ny tany sarobidy (GUE), eny amin’ny Mining business center (MBC) Ivato. Tsiahivina fa naato ny fanondranana any ivelany, satria tsy nampody ny vola vahiny azo avy aminy ny mpandraharaha avy eto an-toerana. Napetraka ny paikady maro […]
Taratra
« Design For Change » : nisongadina nandritra ny hetsika ny sekoly valo
Tontosa ny hetsika nasionaly « Design For Change » (DFC) sy ny fizarana loka ho an’ireo tetikasan’ny ankizy mendrika indrindra ho an’ny taom-pianarana 2022-2023, ny herinandro lasa teo, tao amin’ny kianja mitafon’ny Cnaps Vontovorona. Tetikasa miisa 180 no nifaninana: 133 isa avy amin’ny sekoly miankina ary 61 isa avy amin’ny […]
INDRAY MIJERY
Namoaka didim-pitondrana laharana 050-2023/Cotal ny kaominina Talatamaty amin’ny hifehezana ireo toerana fisotroana zava-pisotro misy alikaola eny an-toerana. Mikatona amin’ny 9 ora alina ny toeram-pisotroana. Tsy mahazo mamoaka latabatra sy seza eny an’arabe. Mampimenomenona ny mpandeha eny Talatamaty tokoa ny fisian’ireo seza sy latabatra mibahana ny sisin-dalana ary ahina hitera-doza. Ilaina […]
Toamasina: misokatra ho an’ny daholobe ny Miami mandritra ny 3 andro
Tonga ilay fotoana! Higoka ny hakanton’ny fotodrafitrasa vaovao ny mponina ao Toamasina. Hisokatra maimaimpoana ho an’ny rehetra ny Miami mandritra ny telo andro. Nanapa-kevitra ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, fa hosokafana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka ny ao Miami (Miray hina ary mifankatia) manomboka anio […]
TARATRY ny KANTO
Tovo J’Hay, etsy amin’ny Piment Café. Efa elaela tsy mba tazana tamina « cabaret » indray ity mpanakanto ity. Mialoha ny hanomanany ny fiverenany an-tsehatra goavana, manome fotoana ireo mpankafy azy etsy amin’ny Piment Café Behoririka indray i Tovo J’Hay, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Hamerina indray ireo hira […]




