Taratra

Lisitry ny mpifidy: mila tehirizina ny takelaka

“Aoka tsy hohadinoina fa rehefa manao fanisana ny mpanisa mpifidy, misy takelaka (autocopiant) iray mijanona ho an’ny olom-pirenena. Mila takina izany amin’ireo mpanisa mpifidy”, ny filoha lefitra voalohany eo anivon’ ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina. Iny takelaka nisoratana anarana iny no hahazoana manao fitarainana amin’ny Ceni sy ny tomponandraikitra. Manomboka any […]

Fitsipaham-pitokisana : misara-bazana ny depiote na samy IRD aza

Tsy misy intsony ny fitovian-kevitra eo anivon’ny von­drona parlemantera? “Vao tsy ela no nandany tamin’ny isa mavesatra ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, taona 2023, ny Antenimie­ram­pi­re­ne­na. Andro vitsivitsy aty aoriana, mivadika ny rasa. Inona izany ny zava-misy tao anelanelany tao?”, hoy, ohatra, ny depiote IRD voafidy tany Mi­a­rinarivo, Rakoton­dra­soa Fetra. […]

Ravokatra Fidiniavo: «Famadihana tanindrazana ny nataon’ny depiote IRD”

Anisan’ny naneho hevitra ny minisitry ny Rano, Fa­na­di­ovana sy fidiovana (MEAH), Ra­vokatra Fidiniavo, mikasika ilay fanangonan-tsonian’ny so­lom­bavambahoaka miisa 105 hanaovana fitsipaham-pitokisana ny govnernemanta. Nam­ba­ra­ny fa fahefana feno ananan’ ny Antenimieram-pirenena to­koa izany, fa tokony ireo so­lo­m­bavambahoaka avy amin’ny fanoherana no manao azy. Hita fa nisy ta­min’ireo depiote 105 na­nao sonia […]

Fitakian’ireo depiote: “Aleo hatao ny latsa-bato…”

Namatrapatratra ny depiote Tim, Razarapiera Fidel na i “Del kely” tao amin’ny fandaharany “Miara-manonja – MM”, omaly. Takin’izy ireo ny hirosoana amin’ny dingana manaraka ho amin’ny fitsipahana ny governemanta. “Efa voapetraka iny fitsipahana iny ary efa nanaraka ny lalàna avokoa. Aleo hatao ny adihevitra sy ny firosoana amin’ny latsa-bato, rahampitso […]

Filoha Rajoelina Andry: “Hidina 14 000 Ar ny vidin’ ny lasakan’ny simenitra”

Notatanterahina, omaly tao amin’ny kaominin’Alatsinainy Ibity – faritra Vakinankaratra, ny fanombohan’ny asa fanitarana sy fanavaozana ny ozinina mpamokatra simenitra, Cementis. Hampidina ny vidin’ny simenitra iray gony ho 14000 Ariary izany. Nitarika ny lanonana ta­ny an-toerana tamin’izany ny filoha Rajo­e­lina Andry. Nambarany fa ho vita ary hihodina amin’ny taona 2025 ny […]