Sadaikatra ny vava hiresaka, mihisatra ny tanàna hanoratra ny vaovao mahakasika ny zava-misy marina eto Madagasikara. Zava-doza mihitsy ilay andavanandrom-piainana sy ny fahoriana entiny. Ny olona tsy hita sy maty, miampatrampatra manerana ny Nosy. Raha tsara ambina ny eto an-dRenivohitra, manomboka mipoipoitra izany any amin’ny faritra sy ny renivohi-paritany […]
Taratra
Firenena mikambana-Vondrona afrikanina: Mitsangambolo amin’ny tsy fandriampahalemana
Vita ny iraka, namoaka fanambarana momba ny diany teto Madagasikara ny avy amin’ny Firenena mikambana sy ny Vondrona afrikanina. Anisan’ny manahirana azy ireo ny tsy fandriampahalemana. Nifarana ny dian’ny iraka avy amin’ny Vondrona afrikanina (UA), tarihin’i Mohamed Idriss Farah sy ny solontenan’ny Firenena mikambana (ONU), Parfait Onanga-Anyanga. Nanao tatitra iombonana […]
Natory tao amin’ny trano fandraisam-bahiny: Teratany frantsay maty irery tao an’efitra
Lehilahy lehibe, teratany frantsay, hita faty tao anaty efitrano tao amin’ny hotely fandraisam-bahiny iray any Ambodimanga Toamasina, omaly. Raha ny fanazavana voaray, efa nipetraka sy naka efitrano tao amin’ity hotely ity ilay lehilahy, nanomboka ny volana mey lasa teo. Natory tao an’efitranony ity farany hatramin’ny maraina ary tsy nivoaka tao […]
Fikasana hanafika sy hanolana : Zandary efa-dahy nalefa eny Tsiafahy
Naiditra am-ponja eny Tsiafahy ny zandary efa-dahy sy sivily iray rehefa avy nohenoin’ny fampanoavana. Notorian’ny vehivavy iray monina eny Itaosy ho saika hanafika sy hanolana izy ireo. Voalazan’ny loharanom-baovao hafa anefa fa hitaky trosa no nalehan’izy ireo tany. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny zandary efa-dahy, afakomaly, rehefa avy nohenoin’ny […]
Kitra – Divizionina faharoa nasionaly : Hisolo tena an’Analamanga ny Disciples FC
Ny ekipan’ny Disciples FC Espoir no voahosotra ho tompondakan’ny ligin’Analamanga tamin’ity taom-pilalaovana 2026 ity. Lasan’izy ireo ihany koa ny lelavola 2 tapitrisa Ariary avy amin’ny ligy. Izy ireo ihany koa no hiaro ny voninahitr’Analamanga any amin’ny fifanintsanana diviziona faharoa, nasionaly. Tsiahivina fa lavon’izy ireo, tamin’ny isa 1 no ho 0, […]





