Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Nanainga omaly, tetsy Ivato, hihazo any Afrika Atsimo, ny delegasionan’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Tsiahivina fa hiatrika ny lalao miverina amin’i Tunisie, any an-toerana, izy ireo. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny andro fahadimin’ny ady tapakila hiatrehana ny “Can 2025”, izay hatao any Maroc. Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny […]

“Ady totohondry-Mada 2024” : nampiseho ny fahaizany ny avy any amin’ny faritra

Notontosaina nandritra ny 3 andro izay nifarana ny alakamisy lasa teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja ady totohondry. Mpi­katroka manodidina ny 200 no nandray anjara, izay maro be ny avy any amin’ny faritra no nifaninana. Tsy fandraisana anjara fotsiny anefa ny nataon’ireo mpikatroka avy […]

“Youth Connekt Africa Summit” 2025 : miady handray izany i Madagasikara

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tany Kigali, renivohitr’i Rwanda, ny hetsika ho an’ny tanora “Youth Connekt Africa Summit 2024”. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, nirotsaka hofidina amin’ireo firenena handray ny andiany manaraka, ny taona 2025, i Madagasikara. Mifani­nana manao ady sisika koa ry zareo zambianina. Ankoatra izay, anisan’ireo […]

Tsipy kanetibe – «Mondial 2024»: vonona haka ny amboara ny Malagasy

Ao anatin’ny tsipika farany amin’ny fanomanana ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, hatao any Dijon, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tsipy kanetibe. Vonona izy efatra mirahalahy handrombaka ny amboara. Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy tetsy amin’ny foibe toeran’ny Telma Madagasikara Andra­ha­ro, omaly, ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika […]

Olan’ny herinaratra: Niketrika fitaovana ny VTM

Nampahafantatra ny fitaovana vitany, niainga amin’ny fikarohana nataony, ny Von­dron’ny tanora (VTM). Nam­baran’ny filohany, Rakotoma­laza Desiré, fa anisan’ny antony nahatonga azy ireo nikaroka sy nitady vahaolana ny fahitana ny fahasahiranan’ny vahoaka eo amin’ny delestazy sy ny fahatapahan’ny herinaratra. Eo ny fahasimban’ny fitaovana rehefa miseho izany na koa fahapotehan’ny fihariana madinika […]