Naratra mafy ireo polisy efatra niharan’ny fitsaram-bahoaka teo am-panatanterahana ny asany, tao Sakaraha, omaly. Nohazonin’ny fokonolona niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana izy ireo. Naratra avokoa ireo polisy miisa efatra vokatry ny fitsaram-bahoaka tao amin’ny kaominina Miary Lamatihy, distrikan’i Sakaraha, omaly. Nisambotra olona tao amin’ny tanànan’Ankilimena ireo mpitandro filaminana ireo. Niaraka tamin’ny olon-tsotra […]
Taratra
« Food Ingredients Europe (FIE) » 2024 : hampiranty ireo vokatra bio i Madagasikara
Hilahatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mandritra ny hetsika “Food Ingredients Europe (FIE)” atao any Francfort Alemaina, ny 19-21 novambra, ny vokatry biolojika malagasy. Hisolo tena an’i Madagasikara ireo delegasiona sy mpikambana avy amin’ny Sendika malagasy momba ny fambolena biolojika (Symabio). Ahafahantsika mivondrona sy mampiroborobo ny fambolena biolojika eto an-toerana sy […]
TARATRY ny KANTO
Hiverina ny adin-kiragasy ao amin’ny Kianja Ra-Petit Ampefiloha. Hifanandrina ny alahady izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina, ny tropin-dRavalomanana Fenoarivo sy ry Fredy kely avy eny Imerintsiatosika. Ny fikambanan’ny mpihiragasy no mikarakara ny hetsika, ary efa natolotra ho ampiasain’izy ireo rahateo ity kianja ity, ka ezahina hitohy isaky ny alahady […]
«Maison des vivants- Tranon’ny velona» : hanasongadinana ny taotrano malagasy
Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny fampirantiana «Maison des vivants-Tranon’ny velona», hanehoana ireo karazana taotrano maro samihafa misy eto Madagasikara. Eo ihany koa ny hanomezana sehatra sy fanomezam-boninahitra ireo Mpahay taotrano ary hanasongadinana ny fahaiza-manaon’izy ireo. Ankoatra ny fampirantiana mahakasika ny trano sy ny taotrano, […]
“Reko Tour 2024”: hofaranana eto Antananarivo
Taonan’ny fitetezam-paritra ny 2024, ho an’ny Reko Band. Tamin’ny faramparan’ny taon-dasa toy izao no nanambaran’izy ireo ny fandaharam-potoanan’ny “Reko Tour 2024”. Natao indrindra hanamarihana ny faha-5 taonan’ny tarika izy ity, izay azo lazaina fa nizotra tsara avokoa. Araka ny efa voafaritra mialoha, haka endrika seho goavambe ny famaranana, ka fantatra […]




