Taratra

FANTINA sy FINTINA

Notsikerain’ny depiote sady lehiben’ny fanoherana, Randrianasoloniaiko Siteny, ny mpitondra. «Amin’ny tany repoblikana sy demokratika rehetra, na ny mpitondra mahita vahaolana na ny mpitondra mametra-pialana manoloana ny tsy fahombiazana azo tsapain-tanana tahaka izao eto amintsika izao», hoy izy. Manodidina ny 28% eo ny taham-pahavitrihan’ ny mpifidy tamin’ireo fifidianana ben’ny Tanàna eto […]

Antoko Fiombonan: “Tokony hitandrina amin’izay lazainy ny filoha”

“Tokony hitandrina ny filohan’ny Repoblika manoloana ny zavatra lazainy. Satria filohan’ny Repoblika izy. Raha minisitra no misy fampanantenana ataony amin’ny vahoaka, mbola azo eritreretina hoe ny Praiminisitra mety hiaro an’ izay minisitra solafaka amin’ny teniny izay”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpamakafaka politika sady sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Reto­gniane Durlin. Nizara […]

Grefy sadasada

  Mitohy ny fiainana! Tsy mahasakana ny andavanandron-dRamalagasy tsy handroso izay jiro sy rano tapaka. “Mandeha ny mandeha”, hoy ny fitenin-jatovo tsy mivaky loha tanteraka amin’izay miseho. Mijonjorombona avokoa sisa ny fomba fiainan’ny mponina amin’ny ankapobeny. Tsy misy tanjona fa rehefa voky ny kibo dia ampy izay. Rehefa midaboka ny […]

Hetsi-bahoaka amin’ny jiro sy rano : nokianin’ny depiote mpanohitra ny fihetsiky ny Emmo/REG

Nokianin’ireo depiote mpanohitra teny Tsimbazaza, omaly, ny fihetsiky ny Emmo/Reg, manoloana ny hetsi-bahoaka amin’ny olan’ny jiro sy rano. Nitondra valin-kafatra momba izany ny mpitandro filaminana. Notsiahivin’ny delege mi­sahana ny zandary, ny Jly Rakotondrazaka Andry, nanoloana ireo depiote fa ahitana vondron-kery telo: Tafika, polisy ary zandary ireo mpitandro filaminana ahetsika amin’ireny […]

TSELATRA

Lehilahy 52 taona tratra nanolan-jaza 8 taona teny Ambohitrimanjaka. Nanamparan’io lehilahy io ny filan-dratsiny ilay zazavavy, ny 28 oktobra teo. Nitaraina tamin’ny ray aman-dreniny ilay zaza. Marihina fa vao avy nisazy noho ny fanolanana nataony ity lehilahy voasambotra ity. Andrin-jiro iray nirehitra tampoka teny Tanjombato, omaly. Nandady tamin’ny vatan’ilay andrin-jiro […]