Olona telo namoy ny ainy, mpandeha hafa naratra mafy ka ahina mafy ny ainy nandritra ny lozam-pifamoivoizana tetsy Antanetibe Ilafy, omaly alina. Mpitatitra mpiasa amina Call center avy eny Andraharo ilay Mazda tra-doza. Mitondra ireo ankizy mianavaratra mihazo an’Ambohimanarina, Ivandry, Analamahitsy, hatrany Ankadikely sy ny manodidina izy io. Raha ny […]
Taratra
Halatra taxi-be 194 : ny mpamily no atidoha nikotrika izany
Mpamilin’ilay taxi-be 194 teo aloha ihany no tompon’antoka tamin’ny fangalarana ny fiara tao Ankadikely Ilafy, ny 6 novambra teo. Napetraky ny tompony tao amin’ny toerana fametrahana azy, tao Antanety, io fiara io. Tsy hita popoka anefa ilay taxi-be. Nametraka fitoriana teny anivon’ny zandarimaria ny lasibatra. Nokarohina ny nahavanon-doza. Tratra tao […]
Antaniavo-Antohomadinika : roa lahy mpamono olona nogadraina eny Antanimora
Notanana vonjimaika eny Antanimora ireo roa lahy malaza ratsy amin’ny fanafihana miharo vono olona, omaly. Nasesin’izy roa lahy nanaovana ny asa ratsiny ireo tanàna manodidina. Naiditra am-ponja eny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ireo jiolahy roa malaza ratsy amin’ny fanafihana arahina vonoan’olona. Voasambotry ny polisy miasa ao […]
Fetin’ny maty ao Morafeno : mampifanindran-dalana ny fomba kristianina sy nentin-drazana
Fomba tsy dia fahita sy re matetika ny fanatsarana ny rafi-piarahamonina ao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina ambanivohitr’i Maromitety, distrikan’i Vavatenina. Dimy taona lasa izay, nampifandraisina ny finoana kristianina sy nentin-drazana rehefa hankalaza ny fetin’ny maty ary hita fa tsara ho an’ny rafi-piarahamonina ao an-tanàna izany. Tsy misy mifanome tsiny sy […]
Fiarovana ny fari-dranomasina : hapetraka ireo paikady goavana
Hifanakalo antotam-baovao, manomboka anio, ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB) ary ny Global Fishing Watch amin’ny alalan’ny ny fitsirihana ara-zanabolana ny tontolo an-dranomasina. Hanampy amin’ny fananana ireo jery todika mahakasika ny antontam-baovao nanomboka ny taona 2012 ka hatramin’izao ity fiaraha-miasa ity. Noho izany, «hahafahana mijery ny zavatra nataona […]




