Voamarina fa hotazana mialoha sady hihena ny letisia amin’ity taona ity, araka ny fanadihadiana nataon’ny CTHT, ny faran’ny volana oktobra teo. Nambarany fa mitotaly 1560 ireo fototra letisia ka ao atsimon’i Toamasina ny 995 raha ao atsimon’ny faritra kosa ireo 565 hafa. Vinavinaina hotazana amin’ny herinandro izao ny vokatra. Mandray […]
Taratra
Fihaonan’ny mpandraharaha sy mpamatsy vola: telo andro hifanakalozana ny « Fidima » andiany faha-6
Tanterahina eto Antananarivo mandritra ny telo andro, ny 6 ka hatramin’ny 8 novambra ny «Forum International des investisseurs à Madagascar et en Afrique» (Fidima) andiany fahenina. Lohahevitra amin’ity taona ity ny fanafainganana ny rohivoaharan’ny teknolojia eto Madagasikara, izay hifanakalozan’ireo matihanina samihafa mandritra ny hetsika. «Tanjona ny hampifandray ireo mpandraharaha eto […]
Avo lenta
Nivoaka ny voka-pifidianana any Etazonia. Niverina amin’ny toerany ny filoha teo aloha Donald Trump. Hanao ahoana ny ho fiantraikan’izay amin’ny jeopolitika maneran-tany? Iaraha-mahalala fa anisan’ny tsy nankasitraka ny adilahy miseho etsy sy eroa ny tenany. Nilaza moa izy tamin’ny fampielezan-kevitra nataony fa 24 ora monja aorian’ny fahalaniany dia hitsahatra […]
Fiaraha-miasa amin’i Chine : hatsangana ny tohodrano hamokatra herinaratra 64 MW any Ranomafana
Hanampy ny vokatra angovo azo havaozina ny tohodrano hatsangana any Ranomafana Fianarantsoa iarahana amin’i Chine. Hisy koa ny toby hamokatra herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro. Manohana ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina ny fanjakana sinoa. Nisy ny fihaonan’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Olivier Jean Baptiste, sy […]
Nikasa hihazo an’i Mayotte : mpiondrana 25 nampodiana
Malagasy dimy voatana vonjimaika any am-ponja ao Mayotte ary 25 niakatra fitsarana tao Nosy Be, omaly, vokatry ny fiondranana antsokosoko sy tsy nahazoana alalana. Niala tao Ambalamanga, kaominina Nosy Be izy 25 mianadahy. Mponina avy ao Ambilobe, Ambanja, Sambava sy hatrany Antalaha izy ireo. Niondrana an-tsambokely izy ireo ka niala […]




