Taratra

VAOVAO TAMBATRA

Lany tsy nisy nitsipaka ny tetikasa Fly Over teny amin’ny Antenimieram-pirenena, omaly. Miisa roa ny fihodinan-dalana « Fly Over », ka eny Anosi­zato ny iray, ary eny amin’ny toby fitaterana Maki Ando­ha­tapenaka ny faharoa. Manodidina ny 30 tapitrisa dolara ny asa, ka avy amin’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana ny 28 tapitrsa […]

Toekarena : “Mbola ambony ny vidim-piainana”, hoy ny BFM

Mbola lafo ny vidim-piai­nana eto Madagasikara tao anatin’ny telo volana fahatelo, taona 2024, raha ny namba­ran’ny Banky foiben’i Mada­ga­sikara (BFM). Tsinjony sady nohamafisiny tao anatin’ny fanadihadiana ara-toekarena nataony fa hihalafo hatrany izany eto amintsika ho an’ity taona 2024 ity. Nilaza ny go­vernoran’ny BFM, Andriana­rivelo Aivo, omaly, teny Antani­narenina fa: « […]

Asa vaventy : drafi-pirenena ho an’ny fitaterana

Nankatoavina omaly, ny fanavaozana ny Drafi-pirenena mahakasika ny fitaterana (PNT). Voakasik’izany ny sehatry ny fotodrafitrasa ho an’ny fitaterana an-tanety, an-dranomamy sy an-dranomasina ary ny an-dalamby. Tsy ao anatin’ny PNT kosa ny sehatry ny fitaterana ana habakabaka. Voarakitra ao anatin’ny PNT avokoa, ny fohy ezaka maharitra 5 taona, ny antenantenany, 10 […]

INDRAY MIJERY

Notontosaina teny amin’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana 67 Ha, ny fivoriana ara-potoan’ny Filan-kevitra ambonin’ny asam-panjakana, omaly. Lahadinika maro no novelabelarina nandritra izany ka nandraisan’ny minisitera isan-tsokajiny anjara ary notarihin’ny tale jeneralin’ny asam-panjakana, Ramaroson Heridja Patrick, ny fivoriana ara-potoana. Maro ireo ray aman-dreny tonga nanatrika ny fifampizarana mahakasika […]