Taratra

Hanaovana taratasy firotsahan-kofidiana: Ben’ny Tanàna tratra nangala-tsoniana

Tonga nametraka taratasy fitoriana tao amin’ny tobim-pa­ritra Marerano ny sefo fokontany ao Marerano, ny faran’ny vo­lana oktobra 2024 teo ma­nenjika ben’ny Tanàna Marerano. Voalaza ao anatin’ny fitoriana fa nisandoka ny asan’ ny sefo fokontany ilay olom-boafidy ka nangalatra ny soniany sy ny fitombokasen’ny fo­kon­tany izay nanamboarana taratasy fanamarinam-ponenana hosoka. Taratasy […]

Mahabo: Basy Kalach iray azon’ny zandary

Tratran’ny zandary tao amina raim-pianakaviana iray tao Andapanomby kaominina ambanivohitr’Ampanihy distrikan’i Mahabo, ny 6 novambra 2024 teo ny basy Kalachnikov iray. Araka ny tatitra nampitain’ny zandary, basy nampiasain’ireo dahalo nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary tao amin’ny Faritra Menabe ity fitaovam-piadiana mahery vaika ity. Nahazo fampitam-baovao mialoha ny zandary momba ny […]

Maty tao an-tranon’ny sakaizany: lehilahy nihantona tamin’ny tadim-patalohany

Lehilahy iray no ahina ho nananton-tena, tao an-tranon’ny sakaizany teny Imerintsiatosika. Niezaka nanavotra azy ilay vehivavy sy ny mpiara-monina saingy tsy tana ny ainy. Tadim-patalohany ihany no nahafaty ny lehilahy iray. Nahina ho namono tena izy. Tao amin’ny fokontany Ambohimanarivo, kaominina Imeritsiatosika, distrikan’ Ari­vonimamo no nitrangan’ izany afakomaly, tokony ho […]

Fitsarana ambony Toamasina : jiolahy mpamerin-keloka nafahan’ny fitsarana

Notsaraina tao amin’ny sampam-pitsarana ambony misahana ny ady heloka be­vava Toamasina, omaly, ny antontan-taratasin’ady laharana faha-179-Toa/23, momba ny fanafihana mitam-piadiana tao Ambohijafy Toamasina, ny alin’ny 12 febroary 2023. Voarohirohy tamin’izany ny jiolahy iray. Lasany ny moto an’ny raim-pianakaviana iray. Andian-jiolahy nirongo basy sy antsy no nisakana ilay raim-pianakaviana sady nandrahona […]

Fifidianana filoham-pirenena amerikanina : mifandanja ny hery ho an’ny kandidà roa tonta

Notanterahina omaly, ny fifidianana filoham-pirenena ao Etazonia. I Kamala Harris, avy amin’ny antoko Demokraty sy i Donald Trump, avy amin’ny antoko Repoblikanina no mifaninana amin’izany fifidianana ho filoham-pirenena izany. Amin’ny ankapobeny, mbola miovaova hatrany ny fironana mahakasika ny valim-pifidianana. Efa nanambara kosa ny avy amin’ny antoko Repoblikanina fa nisy ny […]