Taratra

Hizara ny olana sedraina sy hiofana : hihaona ireo mpitantana tobim-panafody

Hanao fivoriana eto Antananarivo ny mpikambana ao amin’ny Groupement professionnel des dépositaires de médicaments de Madagascar mandritra ny roa andro, eny Ankazomanga, rahampitso sy zoma ho avy izao. Io ny fanazavan’ny filohany, Razafi­manantsoa Nandrianina, oma­ly, teny Ankazomanga. Maro­maro ny lohahevitra hodinihina, iarahan’ny mpikambana manerana ny Nosy. Anisan’ izany ny fivoaran’ny […]

Emerging Malagasy Changemakers : hampiofana tanora mpitarika 30

Hitondra ny anjara birikiny ho an’ny tanora toa azy ireo ny vondrona maintimolalin’ny fandaharanasa fifanakalozan’ny governemanta amerikanina, izay tarihin-dRanoelimanana Dimby. Fanombohana ny tetikasa « Emerging Malagasy Changemakers » izany. Tanora mpitarika 30, eo anelanelan’ny 20 ka hatramin’ny 30 taona, avy any Toamasina, Antananarivo, ary Mahajanga, no hampiofanina amin’ny sehatry ny fandraharahana, ny […]

Famatsian-drano any Atsimo: hafainganina ny tetikasa “Efaho Mandrare Sampona”

Hitondra fiovana sy fampandrosoana marolafy any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny ny ho fahavitan’ny tetikasa famatsian-drano “Efaho Mandrare Sampona”. “Hohafainganina ny asa”, hoy ny minisitry ny Rano. Nijery ny fandrosoan’ny tetikasa pipeline “Efaho Mandrare Sampona” ny minisitry ny Rano, fanadiovana ary fidiovana, Andrianame­lasoa Lalaina. Nijery ny sakana sy nanome vahaolana […]

TARATRY ny KANTO

“Tsy ankiteniteny”, miaraka amin’i Silo. Ma­nome fotoana ireo tia mozika, ireo mpankafy azy manokana ary ireo izay akaiky azy ity mpanakanto ity, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, eny amin’ny NO comment Bary Isoraka. “Tsy ankiteninteny” satria tsy misy nampahafantarin’i Silo ny hitondrany ny fety, fa dia hanamarihany […]

Fanabeazana sy kolontsaina : mbola ambin-javatra ny teny malagasy

Eto Madagasikara no ha­naovana ny fikarohana. Mala­gasy no mikaroka. Amin’ny fiteny vahiny no hanatanterahina ny fanohanan-kevitra sy ny boky havoaka miaraka aminy. Tranga hita sy iainana eny amin’ny ankamaroan’ny fianarana ambaratonga am­bony na miankina amin’ny fanjakana na tsia io. Mahavariana tanteraka fa mpikaroka momba ny sikidy, fanandroana, fanorona, kanefa misafidy […]