Taratra

Kitra – OPL : hifandona ny CFFA sy Jet Kintana FC

Hiady ny laharana voalohany ao amin’ny kaonferansy atsimo ny CFFA Andoharano­fotsy sy ny Jet Kintana FC Itasy. Lalao tafiditra amin’ny andro fahatelo ny fifaninam-pirenena taranja baolina kitra eto an-toerana, diviziona voalohany na “OPL”. Fihaonana hotanterahina eny amin’ny kianjan’i Mahitsy, amin’ny alahady 04 desambra. Raha hiverenana ny andro faharoa izy ireo, […]

Basikety-Elites Jeunes: hiofana any Senegaly i Taratra sy i Anyssa

Hotontosaina any Sene­galy, ny 3, 4 ary 5 desambra izao ny fampiofanana ireo tanora afrikanina mpilalao basikety sangany na ny « Elites Jeunes ». Ho fanohizana ny « Youth Camp », izay nataon’ izy roa vavy, ny volana oktobra lasa teo, hihazo an’i Sene­galy indray, Ramahatra Taratri­niaina Muriel sy Rakotonana­hary Joanie Anyssa, haka traikefa. […]

CJSOI: mbola baraingo ny fandraisana anjaran’i Madagasikara

Hotontosaina ny 4 hatramin’ny 11 desambra izao atsy amin’ny Nosy Maorisy ny CJSOI (Jeux de la Commission de la Jeunesse et des Sports de l’Océan Indien), 2022. Efa vonona tanteraka i Maorisy. Efatra andro tsy hanombohan’ny fifaninanana, mbola baraingo ny fandraisana anjaran’i Madaga­sikara amin’ity andiany faha-12 amin’ny CJSOI hatao any […]

CUA : Nohalefahana ny hetran-trano, tsy mandoa ny fiangonana sy sekoly

Nirovy tsy ara-potoana tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely ny eo anivon’ny filankevitra monisipaly, oma­ly. Anton’izany ny fangatahan’ny mpanatanteraka amin’ny hanalefahana ny hetra. No­dinihina nandritra izany ny fanitsiana ny fanapahana “Dé­liberation N°002-CUA/ CM/Délib.22” momba ny fanalefahana ny hetran’ny taona 2021 sy ny 2022 ho an’ireo mpandoa hetra rehetra manerana ny boriborintany […]

Voalohan-karena

Efa tena mivadika ny tany! Aiza ka volana novambra anaty fahavaratra no mampirongatra ny aretina gripa mahery miampy ny Covid-19. Mipetraka foana ny fanontaniana isaky ny mahita olona mitangorongorona: fa misy inona ao? Hay moa, toeram-pizahana fahasalamana feno olona milahatra, mitondra marary. Mahonena mahita ireo zazakely mitolona amin’ny aretin-tratra, kanefa […]