Taratra

Nirefodrefotra ny basy: jiolahy roa voatifitra, tafaverina ny volabe

Nirefodrefotra ny basy teny Ambatomirahavavy, omaly atoandro. Lavon’ny zandarimaria ny jiolahy roa, nandroba vola mitentina 17 tapitrisa Ar. Atao hazalambo ireo namany. Nanakoako teny Amba­to­mirahavavy ny poa-basy, omaly. Nifanen­jehana ireo mpandroba, nikasa ny haka ilay volabe t$anaty sakaosy. Niala maina anefa rehefa tonga ara-potoana ny zandary. Tafaverina ny vola. Taorian’ny […]

Tselatra

Zazavavikely efa-taona sy fito taona no voalaza fa voaolan’ny dadatoany, afakomaly, tao Ambohitrandrina-Bejofo, faritra Alaotra Mangoro. Simba tanteraka izy roa vavy raha fizahana nataon’ny mpitsabo, hoy ny loharanom-baovao iray. Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana ao Ambohibary faritra Amoron’i Mania. Efa inefatra voatafika io tanàna io tao anatin’ny fotoana vitsy ka manao […]

Saika hamaky trano: mpangalatra notapahina ny rantsan-tanany

Sendran’ny nahay azy, voarasan’ny antsy be ny tanan’ny mpangalatra iray tao avaratr’Ampasinjeva, Mana­ka­ra, ny alahady hariva teo. Nikasa hangalatra tao amina tokantrano iray ity lehilahy ity. Nihidy avy any anatiny ny trano ka niezaka nanokotra karetsaka izy. Kinanjo, tsy nampoiziny fa hitan’ny tompon-trano ny tanany niezaka hamoha ny fanalahidy. Tsy […]

Anatihazo Isotry: mpangalatra finday tratran’ny polisy

Voasambotry ny polisy teo anivon’ny boriborintany fahefatra, ny faran’ny herinandro teo, ireo olona roa mpangalatra finday sy mpamaky trano. Asa ataon’ny eo anivon’ny polisim-pirenena ny hamongorana ireo asa ratsy rehetra eto amin’ny Nosy. Maro ny paikady entin’izy ireo miady amin’izany toy ny fidinana ifotony, araka ny fanazavana. Vokany, nifanehatra tamin’ireo […]

Mahery vaika ny dahalo: zandary sy olon-tsotra iray maty voatifitra

Nanaraka dahalo mpangalatr’omby, lavo nandritra ny sakoroka ny zandary iray sy ny olon-tsotra iray tao amin’ny fokontany Mariarano, kaominina Ankirihitra distri­kan’Ambatoboeny, afakomaly. Nitondra omby 16 avy any Mahatsinjo, fokontany Anjia­kely kaominina Madirivalo ireo dahalo nitam-piadiana. Nanao fidinana ifotony ny zandary raha nahare izany. Tao anatin’ny sakoroka anefa, lavo ny mpanara-dia […]