Nanao fanambarana, tamin’ny alalan’ny horonantsary anaty tambajotran-tserasera, ny manamboninahitra misotro ronono, ny Kly Andrianasoavina Charles, omaly. Nambarany tamin’izany fa zana-bahoaka koa ny mpitandro filaminana. “Tsy afaka ny hamono ny vahoaka sy ny raiamandreninay na ny havanay izahay. Efa nitaizana anay fa avy amin’ny vahoaka izahay ka miverina amin’izy ireo ihany”, […]
Taratra
Fanivaivana ny filoha Rajoelina Andry: hitory ny kolonely Andrianasoavina Charles ny Tafika Malagasy
Tsy hilefitra amin’ny fanivaivana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny Foloalindahy. Hitory ny kolonely Andrianasoavina Charles izay nanao fanambarana tamin’ny Facebook ny Tafika Malagasy, araka izany. Manoloana ny fanehoan-kevitra niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera nataon’ny Kly Andrianasoavina Charles, nitafa tamin’ny mpanao gazety ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Monja, omaly, teny […]
Nandritra ny taona 2024: nahatratra 25 ny tranga fakana an-keriny
Tsy mety ho foana, 25 ny tranga fakana an-keriny niseho nanerana ny Nosy, ho an’ny taona 2024. Nahitana fihenana izany satria 60 ireo lasibatra ho an’ny taona 2023. Mitohy ny ezaka ataon’ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena manoloana ny tranga fakana an-keriny. Ho an’ny taon-dasa 2024, olona 25 nalain’ny dahalo natao takalonaina. […]
ANTANANARIVO RENIVOHITRA: voatsipaka avokoa ny fitoriann’ny mpanohitra tamin’ny fifidianana
Nivoaka, omaly, ny didim-pitsarana mahakasika ireo fitoriana ny kandidà ben’ny Tanàna Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Samy voatsipaka avokoa ny fitakian’ireo kandidà ny amin’ny hanalana an-daharana azy. Tsy hisy fiovana firy intsony ny ho voka-pifidianana ofisialy ho an’ny ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina eto Antananarivo Renivohitra, izay hivoaka ofisialy rahampitso, etsy amin’ny Taf […]
Sesilany ny fanafihana ao Toamasina: 12 tapitrisa Ariary indray voaroban’ny jiolahy
« Efa isan’andro izao fanafihana sesilany izao no miseho eto, famoizan’aina, fahaverezana fananan’ olona, faharatrana mahazo ny mpiara-belona. Lany fanahy mbola velona ny eto Toamasina », hoy ireo nanatri-maso ny fanafihana mitam-piadiana tetsy amin’ ny Cité Valpinson, parisela 11/76, tsy lavitry ny paositry ny polisin’ny Fip, etsy Ankirihiry, omaly tolakandro. Nitrangana fanafihana […]