Taratra

Fijoroana antoko politika : Mirona amin’ny sosialy sy ny maha olona ny LFN

Niampy iray indray ireo antoko politika aman-jatony. Nampahafantarina omaly, tetsy Antaninarenina, ny fijoroan’ny antoko Liana fahasoavana ny Nosiko (LFN). « Miro­na amin’ny fijerena sy fiahiana ny maha olona sy ny sosialy ny fotokevitra ijoroanay. So­sialy demokraty izany », hoy ny filoha nasionaly, Andriami­harijao Solofoharijao José. Nanteriny fa tena potika ny firenena tao […]

Fikaonandoham-pirenena : Mitaky ny hanomezana sehatra ny tanora ny ONU

Nandray ireo iraka avy amin’ny Vondrona afrikanina (UA) sy ny Firenena mikambana (ONU) ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, omaly, teny Mahazoarivo. Nivoitra tamin’izany ny fikaroham-bahaolana sy ny fikaonandoham-pirenena. Nambaran’ireo delegasionina fa mahavelom-panantenana ny lalantsaina hitondrana ny fanovana eto Madagasikara. «Man­ga­taka izahay ny handraisan’ny rehetra anjara amin’ireo dingana rehetra hotanterahina, indrindra mandritra […]

Resy indray ry Gen Z

Nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny maha ara-dalàna ny tetibolam-panjakana 2026. Midika izany fa laniny ny fampitomboana goavambe ny vola hoenti-miaro ny filohan’ny Fanavaozana, izay 6,8 miliara Ariary. Toy izany ny an-dry zareo ao amin’ny Antenimierampirenena, izay 89,8 miliara Ariary. Efa tsy azo iadian-kevitra intsony ireo. Mifanandrify amin’izay anefa, […]

TSELATRA

Hita omaly maraina ny ankizilahy roa, 12 sy 9 taona, nanaovana ombay mitady ny 16 jolay teo. Nandeha namonjy alim-pandihizana fanaovana didim-poitra teny Ampasika izy ireo, ny alin’ny 16 jolay tamin’ ny 9 ora alina. Tsy nahalala nody raha tsy maraina ny andro. Nandainga ho nisy nangalatra izy ireo, saingy […]

Hasarotam-piaro: Mpamily iray nokasaina halaina an-keriny

Lehilahy iray mpamily fiara karetsaka no niharan’ny vono sy nokasaina halaina an-keriny tetsy Ambohimanambola, ny atoandron’ny alarobia tamin’ny 2 ora tany ho any. Nosa­ka­nan’ny lehilahy miisa roa teny Ambohimanambola izy. Nilaza ho aterina eny amin’ny Batou-beach izy ireo. Noken­dain’izy roa lahy ireto anefa ilay mpamily rehefa tonga teny amin’ny toerana […]