Taratra

Depiote Rafidimanana Désiré : «Hosorohana mialoha ny tondradrano»

Mikaro-bahaolana hatrany. Nanao dinika fiaraha-miasa tamin’ny Apipa, teny Anosizato, omaly , ny depioten’ny boriborintany fahefatra, Rafidimanana Désiré. Nambarany tamin’izany fa tafiditra ho amin’ny famaliana ny hetahetam-bahoaka ny dinika. Voa­resaka tamin’ny tale jeneralin’ny Apipa, Rafidimanantsoa Tojoandry Tiana, ny tokony hamahana ny olana mahazo ny mponina eny amin’ny faritra iva, eny amin’izy […]

INDRAY MIJERY

Nitsidika ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla, ny vaomiera sosialy ao amin’ny Antenimierandoholona. Votoatin’ny fihaonana ny fanirian’ireto mpitsidika hananganana Oniversite mahaleotena sy manakaiky vahoaka ao amin’ny distrikan’i Farafangana. Nampahafantatra ny Foibe mpamantatra ny toetry ny andro, etsy Ampandrianomby, fa ny 15 hatra­min’ny 21 oktobra […]

Kaominina Imerina Imady: tsy nahitana ankizy tsy vita vaksiny

Iray amin’ireo toeram-pitsaboana, CSB, 128 anatin’ny faritra Amoron’i Mania ny CSB II ao amin’ny kaominina Ime­ri­na Imady, 12 km miala ny renivohitry ny distrikan’Ambo­sitra. 888 ny isan’ny zaza latsaky ny 5 taona karakarain’ny mpia­san’ny CSB efatra, amin’ny mponina 5 430. “Mazoto mampanao vaksiny ny zanany ny isan-tokantrano ka tsy sahirana […]

Haino aman-jery : miasa ny sampana miaro ny mpanao gazety

Tafajoro sy miasa ny sampana miaro ny mpanao gazety eto Madagasikara. Nampahafantarina ny 10 oktobra 2024, tetsy amin’ny Motel Anosy, izy io. Rafitra eo anivon’ny Ilontsera, «observatoire des médias et de la communication», tafiditra ao anatin’ny tetikasa «Manehoa”. Anjara asan’izy io ny manome tohana ara-tsaina sy torohevitra maimaimpoana ary fiarovana […]

Eto Madagasikara : manodidina ny 2 tapitrisa ny ankizy manao asa manandevo

Mbola maro ny olona mampiasa ankizy eto Madagasikara. Mora kokoa ny karama. Ny ray aman-dreny mihitsy no maniraka ny zanany hiasa noho ny fahasahiranana. Asa mafy sy miendrika fanandevozana anefa matetika no ataon’izy ireny. Nandritra ny fihaonan’ ireo mpiara-miombon’ antoka tetsy Anosy, ny alatsinainy teo, no nandinihina ny Drafitrasam-pirenena iadiana […]