Tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray mpanaparitaka vola sandoka tao amin’ny fokontany Ambohidehilahy, kaominina Ambohidratrimo, ny 28 septambra teo. Naharay loharanom-baovao avy tamin’ ny tsara sitrapo, nosavaina ny trano fonenan’io lehilahy voarohirohy io. Nahitana vola sandoka 5 000 Ar miisa efatra niampy 10 000 Ar miisa roa tao aminy. Nihazona tombokase hosoka […]
Taratra
Tsy nanaiky fandaminana : lehilahy iray mamo nisandoka ho Serzà
Mahita atao foana! Voasambotry ny zandary teny Anosizato Andrefana, ny faran’ny herinandro, ny lehilahy iray nanao fandikan-dalàna sady naniratsira mpitandro filaminana teo am-panatanterahana ny asany. Tsy nanaiky ny fandrindrana sy ny fandaminana ny fifamoivoizana nataon’ny zandary ity lehilahy ity fa nilaza ho maika sy nitonona ho miaramila mitondra ny galona […]
Niady lavaka: telo lahy maty tototry ny tany
Olona telo niara-maty tototry ny tany tao amin’ny distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly. Niezaka nanavotra ny fokonolona fa tsy tana ny ain’izy ireo. Nifampisokirana tao anaty ranontany ireo telo lahy nihotsahan’ny tany tao amin’ny tanànan’Ambedamena, fokontany Betafo, kaominina Ambakireny, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly. Niasa io tany io hanaovana lalan-drano ho any amin’ny tany […]
Tarika AmbondronA : avo dia avo ny tanjona hotratrarina
Mametraka fanamby amin’ny tenany ihany ry zalahy… Hikatsaka ny lafatra kokoa noho izay efa vitany ny tarika AmbondronA, mandritra ilay fampisehoana goavana izay hotontosainy rahampitso, etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe. Ho fanatrarana izany, tsy misy afa-tsy ny fiomanana mialoha, hametrapetrahana ny rehetra manomboka any amin’ny madinika indrindra, hatrany amin’ny goavana indrindra. […]
TARATRY ny KANTO
“Metal Madness Legends”, hotontosaina anio ity seho ho an’ny mozika mavesatra ity. Eny amin’ny Kianja Maitso Analamahitsy ny fotoana, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hifandimby an-tsehatra, mandritra izany, ry Kazar, Apost, Seth on fire ary Egraygore. Tohin’ny seho izay niarahana tamin’i Milon Kazar omaly ihany izy ity, karakarain’ny OZ Rekordz. […]




