Taratra

We Finance Code (WeFi Code) : hampiroborobo ny fandraharahan’ny vehivavy

Nampahafantarina afakomaly, teny amin’ny foiben’ny Banky iraisam-pirenena Anosy, ny fandaharanasa We Finance Code (WeFi Code). Hanohana sy hanampy ny famatsiam-bolan’ny vehivavy mpandraharaha ary hamorona asa marin-toerana sy maharitra ny tetikasa. Iray amin’ireo firenena sivy aty Afrika hanatanterahana ny fandaharanasan’ny Ban­ky iraisam-pirenena «Woman Entrepreneurs Finance Initia­tive Code» (WeFi Code) i Madagasikara. […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahafiton’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, diviziona voalohany, « XXL Top 12 ». Hamarana ny fifanandrinana eny an-toerana ny lalao izay hihaonan’ny 3FB sy ny TFA Anatihazo. Nahatratra 156 ny isan’ny ekipa nandray anjara tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja […]

Volley-Mada D1 : tafakatra manasa-dalana ny GNVB 1 sy 2

Hiditra amin’ny lalao ma­nasa-dalana, anio, eny amin’ ny Kianja mitafon’Ankoron­drano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy 1ère division, taranja volley-ball. Ekipa misongadina ny GNVB 1 sy ny GNVB 2, izay samy tafakatra amin’ny manasa-dalana. Raha hiverenana ny voka-dalao, seta 3 no ho 0 (25-14/25-14/25-13) no nandresen’ny GNVB 1 ny ekipan’ny […]

kitra – «D2 Nationale» : hafana ny fiadiana ny toerana faharoa

Na efa fantatra mialoha aza fa ny FC Avenir Androy no tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny “World Cola Champions League” na ny “D2 Nationale”, taranja baolina kitra, mbola ady goavana ny laharana faharoa. Ho fantatra rahampitso, etsy amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium izany. Hiady ny tapakila amin’izany toerana izany ny FCA […]

Rugby – « WXV III » : nanaovan’i Espagne fampisehoana ny Makis Ladies

Ratsy ny vokatra ho an’ny vehivavy malagasy Makis Ladies, nandritra ny andro voalohan’ny fifanintsanana iraisam-pirenena taranja rugby, « WXV III », izay atao any Dubaï. Nomontsanin’i Espagne 83 no ho 0 izy ireo, omaly. Niraraka toy ny rano ny baolina nentin-tanana vitan-dry zareo espaniola, omaly, tao amin’ny Kianja Sevens Stadium Du­baï, raha […]