Tanterahina anio maraina, eny amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely, ny tafatafa hiarahana amin’i Johary Ravaloson, Malagasy mpanoratra. Fizarana ny fomba fijery eo amin’ny sehatry ny haisoratra ankehitriny, indrindra ny eto Madagasikara. Fampahafantarana ny fomba fanoratany sy fizarana torolalana ho an’ny mpanoratra, indrindra ireo vao misandratra sy maniry hiditra […]
Taratra
Mandefitra lava : mila mifoha amin’ny torimasony ny Malagasy
Anisan’ny maha firenena ny firenena iray ny fananany fomba amam-panao sy kolontsaina mampiavaka azy. Manana izany tokoa isika saingy mandefitra lava noho ny antony maro. Na tsy fomban’ny Malagasy aza ny maniratsira zokiolona, efa lany andro izany ka aleo vingavingaina fa manao kirin’antitra, sns. Mandefitra ny zokiolona! Andro iraisam-pirenena ho […]
VAOVAO TAMBATRA
Mandeha ny fanamboarana tetezana any amin’ny lalam-pirenena faha-7, (PK 416+300), any Mahazengy Fianarantsoa. Nametrahana tetezamby vonjimaika any an-toerana, satria tapaka ny vahilava noho ny rivodoza Alvaro, ny janoary 2024 teo. Efa vita ny tetezana beton (dalot cadre), ka hoesorina amin’ny novambra ho avy izao ny tetezamby vonjimaika eo amboniny. Misitraka […]
Ambatovy : nisy nitriatra ny fantsombe mitondra akorantany
Nahitana tsy fahatomombanana tampoka ny fantsombe « pipeline », mitondra ny akorantany avy any Ambatovy Moramanga mankany Toamasina. Nitranga izany ny 25 septambra teo tamin’ny 5 ora sy sasany maraina, tany amin’ny fokontany Akorabe, kaominina Ranomafana Atsinanana, disitrika Brickaville. Niaraka nitondra fanazavana, omaly, ny talen’ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana sy any ivelany ao […]
JMT : tafapetraka ireo vina sy fanamby
Ambohipihaonan’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny fizahantany eto Madagasikara, hanamafisana ny maha zava-dehibe ity sehatra ity sy hanehoana ireo olana sy fanamby atrehiny ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fizahantany (JMT) natao tany Antsirabe, ny 26 sy 27 septambra teo. Nasongadina nandritra ny fihaonana tamin’ireo mpisehatra samihafa sy mpandraharaha eo […]




