Fandaharanasa manome sy mampirisika ny orinasa tsy miankina hamorona tetikasa mifantoka amin’ny tontolo iainana ny Sunref. Misy ny tantsoroka hatao azy ireny amin’ny lafiny findramam-bola hanamorana ny fanatanterahana ny tetikasany. Natao teto Antananarivo ny 21 septambra teo ny atrikasa ao anatin’ny fandaharanasa Sunref. Mamolavola azy ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny […]
Taratra
Fihaonana IDDA III : mampandroso ny firenena ny fananàny indostria
Mandray anjara amin’ny fihaonana an-tampony ho an’ny fampandrosoana ny indostria aty Afrika (IDDA III) andiany faha-enina ao anatin’ ny fivoriambe faha-78 ho an’ ny firenena mikambana atao any New York omaly, i Madagasikara. Nisolo tena ny firenena malagasy ny minisitry ny fampiroboroboina ny indostria sy ny varotra ary ny fanjakana, […]
Jly Rakotoarijaona Josoa : « Aoka samy haneho fitiavan-tanindrazana»
Andro iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana , omaly. Nitondra hafatra mafonja ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa. « Izany no andrandraina isan’andro eto Madagasikara ka anaovana antso avo ho an’ny fitoniana amin’ny lafiny rehetra. Manana adidy sy andraikitra voalohany amin’izany ny Foloalindahy, ka tsy sasatra mamerina hoe : aoka samy hitandro […]
Fiatrehana ny fifidianana : mpanao gazety 35 nisitraka fampiofanana
Mpanao gazety 35 avy amin’ny haino vaky jery eto an-drenivohitra sy avy amin’ny faritra nisitraka fampiofanana manokana hiatrehana ny fifidianana tetsy Ankerana, ny 19 septambra hatramin’ny 22 septambra teo. Hisorohana ny firongatry ny fanelezam-baovao tsy marina aloha sy mandritra ary aorian’ny fotoam-pifidianana, nofanina manokana hampita ny vaovao marina sy feno […]
Fitsarana ara-bola: manara-maso akaiky i Etazonia
Manamafy ny fanaraha-maso ny fitsarana ara-bola i Etazonia. Solosaina miisa 48 ho an’ireo biraon’ny fitsarana ara-bola eto Madagasikara no natolotry ny governemanta amerikanina, amin’ny alalan’ny USAID, hanatanterahana izany. Hanamafy ny fahafahan’ireo fitsarana ara-bola hanatsara ny mangarahara, ny tamberin’andraikitra ary ny fahombiazan’ny fitantanam-bolam-panjakana ireo fitaovana natolotra. Ity no fampitaovana fanindroany nataon’ny […]