Nanomboka ny fiandohan’ny taona ka hatramin’izao, 54 ny isan’ny trangan’aretina kitrotro niseho teto Madagasikara. Ambositra sy Ikongo ny tranga farany voamarina. Ilaina ny fanaovam-baksiny isorohana ny fiparitahan’ny valanaretina. Hisy hetsika fanaovam-baksiny faobe isorohana ny aretina lefakozatra sy kitrotro ampiarahana amin’ny fanatrarana ireo andiam-baksiny tsy mbola vita ho an’ny zaza vao […]
Taratra
FANTINA sy FINTINA
Ho fanomanana ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny faritra Diana, desambra 2024, nihaona tany Antsiranana ireo tomponandraiki-panjakana sy ny mpiara-miombon’antoka ary ny sehatra tsy miankina any an-toerana, omaly. Natsangana tamin’izany ny vaomiera dimy hiandraikitra ny fanomanana rehetra. Nifarana omaly, teny Tsaralalàna, ny fivoriana faharoan’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara (CSM), izay […]
Fifidianana kaominaly : hivoaka ny 8 oktobra ny lisitra ofisialy
Omaly hatramin’ny 29 septambra ho avy izao no mamoaka ireo lisitra mahafeno fepetra tamin’ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-kofidina ny eny anivon’ny rantsamangaikan’ny Ceni mpikirakira izany (Ovec) eny anivon’ny distrika. Araka ny loharanom-baovao avy eny amin’ny Ceni, Alarobia, omaly, izay. Amin’izao fiatrehana fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna hatao amin’ny 11 desambra […]
Ilay anaran-dray!
Resabe teny anivon’ny fiarahamonina sy ny tambajotran-tserasera, omaly, ny mahakasika ny filatsahan-kofidin’ny zanaky ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, ho ben’ny Tanànan’Antananarivo. Nahavariana fa lasa nifantoka be tany avokoa ny seraseran’ny mpanohana fitondrana. Nitabataba sy nanakiana ary nanatsatso ny zava-niseho. Paikadin-tserasera diso amin’ny tontolo politika, indrindra raha mijery ny […]
Kaomisiaonin’ny ranomasimbe Indianina : misongadina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara
Anisan’ny hanasongadina an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra aty amn’ny faritry ny ranomasimbe Indianina izao maha sekretera jeneralin’ny COI, an-dRazafindravahy Edgard izao. Tanterahina ao amin’ny Hilton, ao Flic en Flac, Maorisy, ny alatsinainy 30 septambra 2024, ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny sekretera jeneraly vaovaon’ny Kaomisiaonin’ny ranomasimbe Indianina(COI), Razafindravahy […]




