Naratra ny zazakely iray nianjeran’ny vilany feno laoka mbola mangotraka, teny Bongatsara, omaly atoandro. Variana nilalao ilay zazakely ka voasaringotry ny akanjony ny vilany misy laoka nandrahoin-dreniny teo an-tokotany. Nentina namonjy hopitaly ilay zaza. Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antanimora, ilay lehilahy tratra nandoro tanety teny Ambodirano, Ambohimanandray, fokontany Antanimarina, […]
Taratra
Ankasina : roa lahy nangalatra vola 5 hetsy
Jiolahy roa, nandroba tao amina tokantrano iray tetsy amin’ny fokontany Ankasina, afakomaly maraina. Nitondra sabatra lavalela, niditra an-keriny tao amin’io tokantrano io ireo jiolahy. Ny zana-drahalahin’ny tompon-trano no niambina ny trano tamin’io fotoana io. Nanao mora ny nangalan’ireo mpandroba ny entana sarobidy. Voaroba ny fahitalavitra, lektera niampy lelavola nitentina 500 000 […]
Valo lahy nitam-basy : voaroba ny vola 30 tapitrisa Ar
Lasan’ny valo lahy nitam-piadiana ny vola mitetina 30 tapitrisa Ar teny amin’ny lalam-pirenena faha-35, 15 km ivelan’ny tanànan’Ambatofinadrahana, ny talata 24 septambra teo. Nitondra basy miisa efatra ireo olon-dratsy. Nosakanan’izy ireo ny fiara. Novakian’ireo jiolahy ireo ny fitaratra. Voambana vavabasy, tsy nisy nahetsika ireo roa lahy tao anatin’ny kamiao. Voatery […]
Fialonana sy hasarotam-piaro : raim-pianakaviana nahafaty ny vadiny
Novonoin’ny raim-pianakaviana ho faty ny vadiny, afakomaly. Nitroatra ny fokonolona ka nanao fitsaram-bahoaka. Voalaza fa hasarotam-piaro no nanindromany antsy an-dramatoa. Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany ny zandary momba ny fisiana fatim-behivavy hita ao amina tokantrano iray ao amin’ny fokontany iadidiany. Tonga teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera ka […]
Volley-« Mada D1 » : hiditra amin’ny manasa-dalana rahampitso
Hiditra amin’ny lalao manasa-dalana rahampitso, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, 1ère division, taranja volley-ball. Hatao anio kosa ny lalao ampahefa-dalana, ho an’ny sokajy lehilahy, raha ny fandaharam-potoana. Raha ny voka-dalao nandritra ny lalao ampahefa-dalana omaly, anisan’ny tafakatra amin’ny manasa-dalana ny GNVB rehefa nandavo ny Bi’As tamin’ny seta 3 no ho […]




