Manomboka androany ka hifarana ny alahady izao ny « foire des produits halieutiques » andiany fahefatra, etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Hisongadina mandritra ireo fotoana ireo ny karazana hazandrano sy ny famokarana eto amintsika. Kitro ifaharan’ny fampiroboroboana ny toekarena rahateo ny jono. Mikasa ny hamita ny lalàna vaovao momba ny fizahantany sy […]
Taratra
Zéro karbona : Ezaka ho fitaratra i Madagasikara
Fanamby apetrak’i Madagasikara ny hanafoanana ny fisian’ny entona karbona, entina hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Voakasik’izany koa ny ankizy. Nandray anjara tamin’ny fivoriana avo lenta mahakasika ny lohahevitra “net zéro carbone”, ao anatin’ny fivoriambe iraisam-pirenena ny Firenena mikambana andiany faha-79, any New York, ny minisitry ny Raharahambahiny, Rafaravavitafika Rasata, sy ny […]
Tsy asa fa kabary !
Raha nahazatra hatrizay ny filazana ho « asa aloha fa tsy kabary », dia mivadika ny rasa amin’izao fotoana izao. Napetrapetraka noho ny finamanana sy ny valibabena ny ankabeazan’ny nomem-pahefana hanatanteraka eto amin’ny firenena. Sanatrian’ny vava poakaty, tsy hita izay asa mivaingana fa lany andro amin’ny fisehosehoana sy ny fandokafan-tena. Toy […]
Fiovaovan’ny toetr’andro : natsangana ny fandaharanasa Global Shield against Climate Risks
Hitondra vahaolana ho fanampiana sy fanohanana ireo vondrom-piaraha-monina marefo manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro ny Global Shield. Nisy ny atrikasa nandritra ny roa andro nametrahana ireo tanjona apetraka. Tapitra omaly, ny atrikasa fampahafantarana ny fandaharanasa «Global Shield against Climate Risks», fiaraha-miasa iraisam-pirenena ahitana ireo firenena mandroso mivondrona ao anatin’ny G7 sy […]
Ankerana : tratra ireo nanafika mpamongady
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Analamahitsy (CSP8) teny Anosizato sy Andraisoro, afakomaly, ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamina fanafihana tranona mpamongady iray eny Ankerana Ankandindramamy ny 17 septambra 2024 teo. Taorian’ny fikarohana nataon’ny polisy, tratra teny Andraisoro ny roa tamin’ireo jiolahy raha teny Anosizato kosa ny roa hafa, afakomaly. […]




