Hiakatra fampanoavana, anio, ilay raharaha fakana an-keriny tao Tsaratanana nahavoasaringotra ny depiote teo aloha, Ratsimanosika Alexandre (Zozo), sy ireo olona efatra nosamborina niaraka taminy. Isan’ireo voasambotra niaraka taminy ny mpiambina azy sy ny rahalahiny ary olona roa hafa. Dimy izy ireo, araka izany, no hiatrika ny fampanoavana. Ny alakamisy 19 […]
Taratra
Mahajanga : mpamaky trano roa lahy voasambotra
Tratran’ny polisy nanao fisafoana ny mpamaky trano roa lahy avy nanao ny asa ratsiny tao amin’ny faritra La Corniche, ny alin’ny 23 septambra teo, tamin’ny misasak’alina. Nilanja fahitalavitra nandritra ny andro maizina tamin’io fotoana io ny lehilahy iray. Nifanena tamin’ny polisin’ny UIR, nandositra avy hatrany izy. Nanaraka azy ny mpitandro […]
Nidaroka am-badiny: vazaha lehilahy nosamborin’ ny zandary
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny teratany vahiny iray nikasi-tanana ny sakaizany tetsy amin’ny kaominina Ambohidratrimo. Nokorontaniny ny mponina manodidina azy ireo. Nampihatra herisetra tamin’ny sakaizany, notanana ataon’ny zandary fanadihadiana ny teratany vahiny iray teny Ambodifarihy, fokontany Atsimomparihy, kaominina Ambohidratrimo. Niaraka tamin’ny toeram-pisakafoana iray teny Ivato ilay vazaha sy ny sakaizany ny […]
Andro maneran-tany ho an’ny Fizahantany : omena lanja ny tanànan’Antsirabe
Tanterahina ny 26 sy 27 septambra, ao Antsirabe, ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fizahantany. « Tanàna milamina sy mahafinaritra ary manaraka ny fenitry ny fandriampahalemana Antsirabe, antony hanaovana ny hetsika any an-toerana » hoy ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Viviane Dewa, omaly, teny Tsimbazaza. Ambohi-pihaonan’ny mpisehatra rehetra […]
VAOVAO TAMBATRA
Tonga eto Madagasikara ny iraka mpanara-mason’ny Banky iraisam-pirenena hijery akaiky ny fandrosoan’ny asa, ny fitantanana ny volan’ny tetikasa fanaovan-dalana eto amintsika. Miisa telo ny tetikasa lehibe vatsiany vola, ny fanaovan-dalana (PDDR, PCMCI ary ny Pact). Voakasik’ireo ny lalam-pirenena RN10, RN5, RN4, RN12A, sns. Miisa 23 795 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara […]




