Taratra

Kianjan’Alarobia: hotantanan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma

Araka ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina, omaly, teny Iavoloha, nomena ny Federasiona malagasin’ny atletisma ny fitantananana ny kianjan’Alarobia. Nasiana fanamboarana avokoa ny efitrano fidiovana, ny fisoloana akanjo “vestiaire”, ny trano fandraisam-bahiny ” Salle VIP”. Tsiahivina fa nahazo medaly 40  ny taranja atletisma, nandritra ny lalaon’ny Nosy izay […]

Sombim-baovao

Ho ezahina hampidirina ao anatin’ny sata mifehy ny fanatanjahantena eto an-toerana ny resaka matihanina. Araka ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina, omaly, teny Iavoloha. Natao hifantohan’izy ireo amin’ny resaka fanatanjahantena sy ho fampivoarana izany no anton’ity vina ity. Hotanterahina any Mahajanga sy Antsirabe, ny 15-24 septambra ho avy […]

Antoko TGV/Mapar: miantso ny haha kandidà ny filoha Rajoelina ny kongresy

Mirona mankany amin’ny fangatahana ny ho firotsahan-kofidin’ny filoha am-perinasa, Andry Rajoelina, ny kongresy nasionalin’ny TGV/ Mapar, eny amin ‘ny CCI Ivato. Nanomboka omaly izany, ary hampahafantarina anio ny fehinkevitra. Tonga maro, naneho ny heriny teny an-toerana ireo mpikatroka rehetra, hatreny ifotony manerana ny Nosy ka hatramin’ireo mpitantana, eo anivon’ny birao […]

Ceni: “Mazava ny voalazan’ny lalàna “

“Voalazan’ny lalàna fa manan-jo hanatona fitsarana ireo nisoratra anarana tamin’ny takelaka fanisana mpifidy, nefa tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana“, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly. Ny fitsarana ihany no afa-mamoaka didy hampidirana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana efa nofaranana. Heverin’ny Ceni fa tsy mifanohitra amin’ny lalàna raha izy no […]

Fizakan’ny filoha zom-pirenena vahiny: miantso ny Foloalindahy haneho hevitra ny MMM

Nohitsin’ny kandidà, i Andrianainarivelo Hajo fa manao fanambarana sy maneho hevitra hatrany ny Foloalindahy rehefa sahirana ny mpitondra fanjakana. Voizin’izy ireo amin’izany ny fiarovana ny Andrimpanjakana. “Voantohintohina izany Andrimpanjakana izany anefa izao satria filoham-panjakana am-perinasa no nangataka zom-pirenena vahiny  ny taona 2013. Mba te aheno ny Foloalindahy izahay haneho hevitra”, […]