Taratra

Franglish, mpanakanto mandalo eto Madagasikara : nahasarika vahiny sy Malagasy maro ny seho voalohany nataony

Maro mpankafy ny fampisehoana ataon’ny vahiny mpanankanto eto Madagasikara. Porofon’izany ny seho natolotr’i Franglish tetsy Mahamasina, omaly. Tontosa tetsy amin’ny Kianjan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Ma­ha­masina, omaly, ny fampisehoana nataon’i Franglish, va­hiny mpanakanto malaza amin’ny fanaovana mozika rap. Seho voalohany notontosainy teto Madagasikara izy io. Tratra ny tanjona ho an’ny mpikarakara […]

Alzheimer : matetika tratran’ny aretina ireo olona tsy mampiasa vatana

Nomarihina ny 21 septambra teo ny Andro maneran-ta­ny iadiana amin’ny aretina Alzhei­mer. Anisan’ny nankalazana izany i Mada­gasikara. Mbola ma­ro ny olona tsy ma­hafantatra io aretina io eto amin’ny Nosy, raha ny fanazavana voaray. “Aretina mpahazo ny sela any amin’ny atidoha ny (démence) izay mampihena ny fiasan’io taova io, anisan’izany ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny Praimi­nisi­tra Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, ny faramparan’ny herinandro teo, ny tala jeneralin’ny Bianco, Razaka­manantsoa Gaby Nestor. Nambaran’ny Prai­ministra fa nandroso ny ady amin’ny kolikoly teto Ma­dagasikara nanomboka ny taona 2019 noho ny fanamafisan’ny lalàna sy ireo rafi-pitsarana iadiana amin’izany. Nitsidika ny fitsarana ambaratonga voalohany, Moramanga, ny minisitry […]

Praiminisitra Ntsay Christian: “Tsy misy tombontsoa azo amin’ny korontana”

“Marina tokoa fa hiatrika fotoan-dehibe isika amin’ny 11 desambra ho avy izao amin’ny fifidianana izay ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. Ny zava-dehibe ao anatin’izany dia ny hisian’ny filaminana hatrany. Tsy misy tombontsoa azo amin’ny korontana”. Io ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Chris­tian tamin’ny mpanao gazety tany Antsirabe, faritra Vaki­nan­karatra, ny […]

Fidinana ifotony

  Arahaba soa, arahaba tsara: efa mandeha ny fidinana ifotony amin’izao? Na isan-tsehatra, na isan’ambaratonga. Mba tsy ho am-boalohany ihany… Tsy inona fa fijerena ny zava-misy amin’izay iainan’ny vahoaka andavanandro, famahana olana, firosoana amin’ny vokatra haingana sy mivaingana, misy fiantraikany mivantana… Amin’izany, mahita lazaina hatrany ny be tsingoloka isany: ahoana, […]