Taratra

Solofo Lalaina : nirotsaka ho ben’ ny Tanàna ao Ivato

Tafapetraka, omaly, teo anivon’ny OVEC etsy amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina Ivato ho an’i Lalaina . “Ivato tonga saina, miaraka amin’i Lalaina” no teny filamatra entiny. Mirotsaka amin’ny anaran’ny antoko TGV, miaraka amin’ny fitondram-panjakana izy, ary maro ny fikambanana manohana azy amin’izany. “Ny fahatsapana […]

Rio Tinto QMM : nizara kit scolaire tany amin’ ny faritra Anôsy

Anisan’ny nanampy betsaka ireo mpianatra sy ny ray aman-dreny tany amin’ny distrikan’i Taolagnaro, faritra Anôsy, ny hetsika ara-tsosialy nataon’ny Rio Tinto QMM. Tamin’ny alalan’ny fizarana fitaovam-pianarana. Nifarana afakomaly ny fi­za­rana fitaovam-pianarana nataon’ny Rio Tinto QMM, tany amin’ny distrikan’i Taolagnaro, faritra Anôsy. Nisi­tra­ka izany ireo mpianatra 11 258 ao anatin’io distrika […]

Ninah Raharivololoniaina : nirotsaka ho ben’ny Tanàna ao Ivato

Tafapetraka, omaly, teo anivon’ny Ovec etsy amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna eo anivon’ny kaominina Ivato ho an-dRaharivololoniaina Ninah, omaly. “Ivato tsy manavaka” no teny filamatra entiny. Manana vina manokana hanatsarana ny seha-politika hitantanana ny kaominina Ivato izy. “Ho avy tsy ho ela ny fotoana ahafahana mamelabelatra izany”, […]

Rakotoarijaona Jerry: «Tsy mipetraka ny ahiahy hoe atahorana Ravalomanana»

“Angamba, tsy mipetraka loatra ny ahiahy hoe: tena atahorana ara-politika tokoa ve Ravalomanana?”, hoy ny fijerin’ny filohan’ny Vahaolana anio sy rahampitso (Var), Rakotoarijaona Jerry, ny amin’ny firotsahan-kofidin’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ho ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, mahabe resaka eo amin’ny tontolo politika amin’izao. Tsy mbola voafidy tamin’ny fifidianana madio […]